Maty nisy nitifitra tany Mahazoarivo Atsimo, ny alatsinainy teo, ny vehivavy bevohoka iray. Ahina ho disadisam-pianakaviana no antony namonoana azy io.
Vehivavy bevohoka iray (25 taona) maty notifirin’olon-dratsy teny Mahazoarivo Atsimo, ny alatsinainy tamin’ny 8 ora latsaka folo hariva lasa teo. Lasa nandositra avy hatrany ny nahavanon-doza rehefa avy nanao ny asa ratsiny. Raha ny fantatra, monina ao amin’ny fokontany Mahazoarivo, kaominina Belobaka, distrikan’i Tsiroanomandidy, faritra Bongolava io vehivavy maty io. Nentina natao fitiliana teny amin’ny hopitaly ny razana ny talata maraina. Raha ny fantatra, ahina ho ady sy lonilonim-pianakaviana no antony nahatonga izao volo olona mahatsiravina izao, raha ny angom-baovao voaray. Nisy tsy fifankazahoana efa ela teo amin’io vehivavy bevohoka io sy ny fianakaviany, raha ny fantatra ihany. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny zandary avy ao amin’ny kaomandin’ny Tobim-paritra Belobaka taorian’ny antso avy amin’ny sefo fokontany. Nidina teny ifotony ihany koa ny Tafika manao PSR any Belobaka sy ny ben’ ny Tanàna ary ny filohan’ny filankevitra kaominaly rehefa nahare ny tranga.
Lehilahy roa voasambotra
Lehilahy roa avy amin’ny fianakaviana no ahiahian’ny havan’ny maty ho nahavanon-doza, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny PSR Tafika Malagasy any Mahazoarivo. Efa nidina nisambotra ireo voarohirohy ireo ny zandarimaria avy any an-toerana. Eo am-panaoavana famotorana tanteraha ny manam-pahefana rehetra an-toerana, ahafantarana ny zava-nisy marina. Hisy fivoriana manokana ataon’ny OMC ao amin’ny faritra Bongolava handinihana manokana io raharaha io.
Mino




