Nodarohan’olon-tsy fantatra : Lehilahy 65 taona nihoson-dra tetsy Ambodin’Isotry

Lehilahy lehibe iray manodidina ny 65 taona naratra mafy nodarohan’olon-tsy fantatra tetsy Ambodin’Isotry, omaly tamin’ny 01 ora sy sasany tolak’andro. Efa nihosin-dra ny tarehy sy ny lohan’io raim-pianakaviana io vokatry ny vono nahazo azy. Nisy andian-olona nidaroka azy tampoka sy tao anatin’ny fotoana haingana be io niharam-boina io, raha ny nambaran’ireo olona teny amin’ny manodidina. Lasa nitsoaka avy hatrany ilay olon-dratsy taorian’izay. Tsy nisy nahita ny nalehan’ny nahavanon-doza anefa ny olona teny an-toerana, raha ny fanazavana voaray. Satria, tao anatin’ny fotoana haingana be ny nisehoan’izany famonoana izany. Samy niezaka nijery sy namonjy ilay rangahy narata mafy ny vahoaka. Nandray andraikitra avy hatrany ny polisy misahana ny fifamoivoizana niasa teo amin’ny rond point BMH Isotry rehefa nahita ny zava-nitranga. Noentina namonjy hopitaly teny amin’ny HJRA Ampefiloha avy hatrany io zokio­lona io. Efa tsy misy ahina ny faha­sa­lamany ary efa na­hazo fitsaboana izy. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga izao vono olona izao. Efa misokatra ny fanadiadiana hikarohana ny nahavanon-doza.

Mino

Partager sur: