Imerintsiatosika : Tratra ireo roa lahy nanafika mpanangom-bokatra

Voasambotry ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ ny fitaovam-piadiana ireo roa lahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpanangom-bokatra tao amin’ny fokontany Tse­nakely, kaominina Imerintsia­tosika, distrikan’Arivonimamo, ny 6 jolay teo. Nitondra basy PA ireo olon-dratsy ka niditra an-keriny tao amin’ny tokantranon’io raim-pianakaviana mpisehatra amin’ny varotra io, ny tolakandron’ny 4 jolay ta­min’ny 1 ora. Tsy nisy nisaron-tava ireo mpanao ratsy. Na­metraka fitarainana teny anivon’ny biraon’ny tobim-paritra Ime­rintsiatosika ny lasibatra. Niroso tamin’ny fikarohana ny nahavanon-doza taorian’ny angom-baovao ny zandarimaria. Roa lahy monina tao Ma­halavolona, fokontany Amba­tolampy, kaominina Ambala­nirana voatonona anarana ho tomponantoka tamin’io fanafihana io. Niroso tamin’ny fi­sam­borana avy hatrany ny mpitandro filaminana. Tratra ny lehilahy iray izay nihazona fitaovam-piadiana vita mala­gasy sy tranom-bala “calibre 12”. Nentina natao famotorana izy roa lahy ireo ary nogiazana ny basy. Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny fanadihadiana lalina atao azy ireo roa lahy. Karohina ny mpiara-miombon’antoka amin’ireo jio­­la­hy mpanao fanafihana mitam-piadiana ireto.

Tsiferana R.

Partager sur: