Anisan’ireo malagasy tanora, fanta-daza amin’ny sehatrin’ny asa famoronana horonantsary fohy anaty tambajotran-tserasera, Facebook, Rasoanandrasana Patrick Jocelyn, na i Armel Patrick. Nisy ny fanadihadiana izay natao taminy, omaly.
Efa miroborobo tanteraka izao ny resaka horonantsary mahatsikaiky ao anaty tambajotran-tserasera, Facebook, amin’izao fotoana izao. Ao anatin’ireo Malagasy, misehatra amin’ izany asa famoronana sarimihetsika fohy izany, Rasoanandrasana Patrick Jocelyn na i Armel Patrick. Araka ny filazany ihany, ny taona 2015, nanomboka nanao miaramila ny tenany, ary ny volana jona 2023, nitsahatra tamin’izany izy, ary nisafidy ny hiditra anatin’ ny tontolon’ny fandraharahana. “Anisan’ireo asa fataoko amin’izany, ny mampanofa “Photobooth 360”, eo ihany koa ny fivarotana fiarakodia, ary ny famoronana horonantsary fohikely “video” amin’ny Facebook”, hoy i Armel Patrick.

Avy aiza ilay anarana hoe Armel ?
Tovolahy iray, mifototra amin’ny fivavahana Katolika, Rasoanandrasana Patrick Jocelyn. Raha ny fanazavana nomeny hatrany, ny masindahy Armely, no olo-masina mpiaro azy, ka izay nahatonga ilay anarana hoe Armel Patrick.
Tsy faniriana loatra ny hamorona video amin’ny Facebook
Tsy dia nanana faniriana ny hanao an’ity asa famoronana horonantsary anaty tambajotra serasera ity, i Armel Patrick, fa fizarana tsotsotra amin’ny “storie” ihany, no tena fataony, tamin’izany, ary nilaza ny tenany fa zavatra tsy misy dikany akory no naparitany tamin’io fotoana io. “Miaramila koa moa ny tenako, tamin’izany ka tsy afaka mizara ny zavatra toy ny amin’ izao fotoana izao”, hoy hatrany ity tovolahy ity.
Horonantsary iray, nataon’ izy sy i Fitiavana Mickael, malagasy kalaza amin’ny Body building, nampitsiry ny hevitra hoe : hamorona sarimehitsika fohy, toy ny amin’izao fotoana izao. Araka ny nambarany ihany, tena nahasarika olona io “video” nataon’izy sy Fitiavana Mickael io.
“Taorian’io, nanangana ny hatao hoe Daalo tonina, izahay, rehefa nahomby moa izany, nisy namako niteny azy hoe: mamorona enao pejy Facebook, ary nanomboka teo aho niditra tamin’ny sehatra “creation de contenue” izany”, hoy hatrany i Armel Patrick.
“Sarotra ny hiteny hoe mahavelona …”
Raha ny hevitr’i Armel Patrick, mbola sarotra ny hilazana hoe mahavelona ny asa famoronana horonantsary fohy, anaty tambajotran-tserasera raha eto Madagasikara. “Ny hiteny hoe, tena mahavelona aloha sarotra ihany. Raha hampitahaina amin’ireo any ivelany ny zavatra hatao eto, somary sarotra ihany ilay eto amintsika. Ny an-dry zareo, manao video, ka mahazo “vue” maro, dia efa vola izany. Ny eto kosa anefa dia miandry ireo orinasa, hiantso anao dokambarotra, vao mahazo vola. Saingy raha oharina amin’ireo asa eto an-toerana indray izany nefa, dia mba misy raisina ihany ilay izy.” Hevitr’ity tovolahy mpandraharaha ity ihany.
Fantaro :
Tsara ny mampahafantatra fa 29 taona i Armel Patrick amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny manao “video” anaty tambajotran-tserasera, manana ny fialamboliny ihany koa izy. Ohatra amin’izany, ny fanamafisana ozatra na ny “musculation”, ary ny filalaovana baolina.
Nomarihan’ity lehilahy iray ity, fa tsy “influenceur” ny tenany, satria tsy misy olona sarihany hanao zavatra fa mba mizara hafaliana sy manampy ny sahirana ihany no tena hataony.
Nametraka hafatra ho an’ireo tanora moa i Armel Patrick.
“Tsy mbola amin’ilay toerana tokony hanome hafatra aho, fa ny lesona azo avy amin’ny fiainanana ngamba no hozaraiko sy hitenenako hoe : Na inona toerana misy anao, na inona asa misy anao, mananà faharetana, fa tsy ny androaninao no mamaritra ny ampitsonao. Milofosa amin’ny tanjonao, fa tratranao io. Mety ho kivy amin’Andiamanitra ianao fa tia hiteny aho hoe : vavaka nataoko tamin’izany no hiainako amin’izao. Dia mino aho fa raha mbola tsy tratranao ny tanjonao, mbola ho avy izany raha mino sy mahatoky azy ianao”. Hafatr’i Armel Patrick.
Nanatontosa : Fitia Randria




