Baolina kitra – «Tournoi Fanilo» : Hisokatra amin’ny sokajy U13 sy U17 indray

Manome sehatra ny kilongakely mpiangaly baolina kitra hatrany ny “Tournoi Fanilo”, karakarain’ny Akademia Akamasoa Football. Hiavaka ny andiany fahatelo, satria hivelatra amin’ny sokajy U13 sy U17 indray. Ny hahazoan’ ireo katitakely maneho ny talentany, no tanjona amin’izany.

Toy ny fanaony isan-taona, amin’ny fotoam-pialan­tsasatry ny mpianatra toy izao, mikarakara fifaninanana baolina kitra, ho an’ny kilongakely ny Akademia Aka­masoa Football. Hiditra amin’ ny andiany fahatelo ny “Tour­noi Fanilo” amin’ity. Hiavaka izany araka ny nambaran’i Harisoazanakolona Tantely, anisan’ny mpanazatra niresaka tamin’ny mpanao gazety, omaly, teny Andralanitra.
Hisokatra amin’ny sokajy zandriny U13 sy U15 indray ny lalao raha toa ka ny U17 foana tamin’ireo andiany roa voalohany. Antony, fototra amin’ny fananana klioba matanjaka ny katitakely ary homena tom­bony izy ireo, mba hahazoany maneho ny fahaizany sy ny zavatra norantoviny, fa tsy hijanona foana amin’ny fanazarantena.
Hanomboka ny 19 jolay ho avy izao, ny “Tournoi Fanilo” ary heverina ho tapitra ny tapaky ny volana aogositra. Isaky ny alarobia sy ny sabotsy no hanaovana ny lalao eny amin’ny kianja Akamasoa. Lalao ho an’olona 11 saingy ny fe-potoana hilalaovana no fohy. Ekipa 16 avy no andra­sana amin’ity ka mizara ao anaty vondrona 4 hahitana ekipa 4 avy. Mifandimby mi­haona ka miatrika ny ampahefa-dalana ireo roa voalohany isam-bondrona.
Eny amin’ny foibe toeran’ ny Akamasoa Andralanitra ny fisoratana anarana, ho an’ireo maniry handray anjara, ny alarobia sy sabotsy tontolo andro. Notsiahivin’ny mpikarakara fa efa-taona izao, ny Akademia Akamasoa Football. Misy an­kizy 70 sy mpanabe 6 mirahalahy. Tanjona amin’ity, ny hampiditra ankizivavy, liana amin’ ny baolina kitra. Misokatra ho an’ny ankizy rehetra ny seko­lin’ny baolina kitra ao Andra­lanitra. Manana vina, ho any Mahajanga, amin’ny faran’ny volana aogositra izao, hanatrika fifaninanana ny Akade­mia Akamasoa.

Tompondaka

Partager sur: