Basikety-Mada U16: Fantatra ireo hiatrika ny ampahavalon-dalana

Hiditra amin’ny ampahavalon-dalana anio, any Toamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 16 taona lahy sy vavy. Efa fantatra ireo hifanandrina, eo amin’ny sokajy vehivavy. Hifandona voalohany ny Lucadro sy ny DCA, tohizan’ny JAP Mada sy ny ACMBA, ny ASSC sy ny Fandrefiala ary ny ASSM sy ny CRJS. Aorian’ izay, hifanandrina indray ny Phoenix sy ny Ascut, ny Dunamis sy ny AS Monfort, ny NAS sy VEB ary ny FFPRO BCTM sy ny Pintade. Fifaninanana anisan’ny betsaka mpandray anjara indrindra ny sokajy latsaky ny 16 taona tamin’ity taona 2025 ity. Hentitra tanteraka ny eo amin’ny kaomisiona mpanara-maso eo amin’ny hala-taona sy karazana tsy fanarahan-dalana maro isan-karazany ka nampizotra araka ny tokony ho izy ny fifaninanana. Raha ny fandaharam-potoana, hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana ny fifaninanana ho amin’ny raham­pitso. Ny sabotsy izao kosa no hanaovana ny manasa-dalana ary ny alahady 13 jolay izao no hanatanterahana ny lalao famaranana amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara taranja basikety, sokajy latsaky ny 16 taona lahy sy vavy ity.

Mi.Raz

Partager sur: