Nivoaka ny didim-pitsarana : Hovosirina i Da-Willy, ilay mpanolana ankizy

Nilatsaka ny didy! Hovosirina, higadra hanao asa an-terivozona mandra-pahafatiny Andrinambinintsoa Johnny William na i Da-Willy. Nanolana zazavavikely vao enin-taona, teny Imerintsiatosika, ny harivan’ny 3 marsa 2024, izy.

Niakatra teo anivon’ny fi­tsarana ambaratonga voalohany Anosy, efitrano fahadimy, omaly, ny raharaha mahakasika ny fanolanana ankizivavy enin-taona tetsy Imerintsiatosika, ny harivan’ny alahady 03 marsa 2024. Voasazy hovosirina sy hiasa an-terivozona mandra-pahafatiny Andrianambinin­tsoa Johnny William na Da-Willy (24 taona) tompon’antoka tamin’izany. Izy no hisantatra ny famosirana voalohany eto Madagasikara, araka izany. Ankoatra izay, mbola mandoa onitra 6 tapitrisa Ariary ihany koa izy. Namoaka ny fampiharana ny didy famosirana ho an’ireo manolana zaza latsaky ny 10 taona, araka ny andinin-dalàna laharana 2024-001 ny teo anivon’ny HCC ny 24 febroary 2024. Nanolana io ankizivavikely io izy sivy andro taorian’ny didy. Voasazy hiasa an-terivozona mandra-pahatiny sy vosirina izay tratra. Tonga niatrika ny fitsarana teny an-toerana ilay ankizivavy kely, lasibatry ny fanolanana (efa 7 taona izy amin’izao) sy ny reniny. «Sim­ba sy potika tanteraka ny taovam-pananahan’ilay zaza», raha ny nambaran’ny lehiben’ny mpitsara teny an-toerana. Mbola nokendaina ary nokasaina hovonoina mihitsy ny lasibatra.

Nohidina tao an-trano
Tsiahivina fa naolan’i Da-Willy i Harena, tovovavikely vao enin-taona monja, ny 3 marsa 2024, tamin’ny 6 ora hariva. Nirahiny nividy sigara izy io rehefa hitany nilalao teo an-tokotany tany Meriman­droso Imerintsiatosika. Noba­tainy ary nohidiny tao amin’ny efitrano iray tao amin’ny trano ntaolo iray sy nanamparany ny filan-dratsiny. Nampandre ny manodidina ilay zazakely nahatsikaritra ny zava-nisy. Zaza efa nihosin-dra, tsy na­hetsika ary nosaromana lam­ba no hitan’ny ray aman-dreniny tao.
Lasa nitsoaka i Da-Willy tao­rian’ny ratsy vitany. Voa­sam­botry ny mpitandro filaminana natory tao anaty fiara teny Anosibe io tsy mahataho-tody io, ny 5 marsa 2024 (roa andro taorian’ny nanaovany ny asa ratsiny), tamin’ny 2 ora ma­­raina. Niakatra fampanoavana teny amin’ny fitsarana ny raharaha tamin’ny 6 marsa 2024. Nidoboka vonjimaika teny amin’ny fonjam-ben’i Tsia­fahy avy hatrany izy taorian’izay.

Mino

Partager sur: