Narahin’ny olon-dratsy efa-dahy : Lehilahy voatsatok’antsy teo amin’ny tavany

Naratra mafy voan’ny antsy nataon’ny olon-dratsy miisa efatra ny raim-pianakaviana iray tao Analatsiandry, kaominina Miarinavaratra, distrikan’i Fandriana Fisakana, ny alin’ny alakamisy 9 jolay teo. «Avy ni­varotra tao an-tsena i dada sy i mama niaraka amin’ny zaodahiny”, hoy ny fanazavan’ny za­naky ny lasibatra. Niala sahabo 50 metatra ny tsena ka na­nomboka nandeha lalana anaty ala, narahin’ny olon-tsy fantatra izy ireo. «Efa nahatsikaritra ny fisian’ireo olona izy telo saingy tsy nanampo na inona na inona», hoy ny loharanom-baovao. Nandrasan’ ireo efa-dahy ho tafiditra tsara tamin’ny toerana mangingina ireo mpivarotra. Namoaka antsy avy hatrany izy ireo. Na­nam­bana ilay raim-pianakaviana sady nitaky ny vola azony nandritra ny varotra. Tsy na­naiky ilay lasibatra ary nanohitra. Voatsatok’antsy ny tarehin’ io lehilahy io ary nisy rovitra vo­katry ny fandratrana na­taon’ ireo mpandroba. Nodaro­hin’ ireo tsy valahara tamin’ny totohondry koa ny ramatoa vadin’io rangahy io sy ny zaodahiny. «Tsy nisy ny vola voaroba saingy nentin’ireo olon-dratsy ny fitaovana fampiasa amin’ny varotra toy ny vilany», araka ny fanamafisan’ny zanak’izy mivady. Nen­tina namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany ny naratra.

Tsiferana R.

Partager sur: