Hanomboka anio, ny dingana faharoa hiadiana ny ho tompondakam-pirenena amin’ny familiana fiarakodia na ny Rally TMF. Fifaninanana karakarain’ny klioba Team Mika Faniry. Mpanamory 31 hiady lohany. Anisan’ny hifampitady amin’izany, ry Mathieu Andrianjafy avy amin’ny Asacm, izay hiova fiara hoentina ka amin’ity hitondra Subaru indray ny tovolahy. Ankoatra azy, eo koa i Faniry sy i Mika avy amin’ny TMF, mahafantatra tsara ny lalana hombana. Anisan’ireo hifampitady amin-dry zalahy koa ry Aro Kiady sy i Herman.
Misy dingana manokana “ES” miisa 12 ity Rally TMF ity, mirefy 130, 30 km. Hanodidina ny faritr’Ivato iny ity fifaninanana ity. Hampiavaka ity hazakazaka fiarakodia ity, ny fisian’ny antsoina hoe: “special spectateurs”, miisa 2 hatao eo amin’ny “circuit” TMF. Tafiditra ao anatin’ny dingana manokana ho an’ireo mpifaninana koa ny lalan-tany eny Ambohidratrimo miaraka amin’ireo endri-dalana samihafa, ilana teknika. Haharitra hatramin’ny alahady 13 jolay ity Rally TMF ity. Eny amin’ny CCI Ivato ny toerana hiaingana sy ny fahatongavana.
Tompondaka




