Nalefa eny Tsiafahy sy Ankazondrano Fianarantsoa, afakomaly, ny olona enina ahina ho nanapoizina mpandraharaha. Tranga niseho tao Ikalamavony nandritra ny fankalazana ny andron’ny 8 marsa.
Vehivavy efatra niampy lehilahy roa nohazonina vonjimaika any am-ponja, afakomaly. Ahina ho voasaringotra tamin’ny fahafatesan’olona miisa telo, tao Ikalamavony izy ireo. Raha ny fanazavana avy eny anivon’ny fampanoavana dia fanapoizinana niniana natao no nahafaty ireo mpandraharaha mivady sy ny mpanampiny.
Avy namonjy ny andro fankalazana ny Andron’ny vehivavy tao Voeganana, kaominina Solila, distrikan’Ikalamavony izy ireo no nanomboka narary. Iray andro taorian’ny fety, nanomboka narary izy mivady. Nentina namonjy hopitaly ka namoy ny ainy ilay renim-pianakaviana. Ny 12 marsa dia tsy tana ihany koa ny ain-drangahy. Ny 15 marsa, maty ihany koa ny tovovavy, izay mpanampy azy ireo.
Nitovy avokoa ny fisehon’ ny aretina, nianjady tamin’izay ireo. Niafara tamin’ny olana teo amin’ny taovam-pisefoana avokoa mialoha ny nahafatesana.
Nisoko miadana
Taorian’ny voina, nametraka fitoriana ny fianakavian’ny lasibatra. Nandeha ny fitadiavana ny marina sy izay heverina ho tompon’antoka. Nandritra izany no nivoahan’ny vaovao fa ahina ho fanapoizinana niniana natao io niteraka fahafatesan’ilay mpandraharaha mivady sy io vehivavy iray hafa io.
Nisoko miadana ny fanadihadiana, nahatratra enina ny olona voasambotra sy nanaovana famotorana. Vehivavy ny efatra, lehilahy ny roa. Tapitra ny famotorana savaranon’ ando, nalefa tamin’ny mpampanoa lalana sy ny mpitsara mpanao famotorana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Fianarantsoa izy ireo afakomaly. Tsy nisy nahazo fahafahana vonjimaika fa miandry ny fotoam-pitsarana any am-ponja.
Tsiferana R.




