Raim-pianakaviana, mpivarotra enta-madinika iray tany Antalata Ambohimahasoa, maty voatsatok’antsy in-12 tao an-tranony, ny alarobia lasa teo. Voatsindrona tamin’ izany, ny tendany, ny lohany, ny tarehiny, ny ambavafony ary ny kibony, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Nisy lehilahy roa nilaza hividy sigara sy fahana atao amin’ny finday tao an-tsenan’io mpandraharaha io, raha ny fanazavana voaray. Nandray ilay raim-pianakaviana tamin’ny vozon’ akanjony anefa izy ireo rehefa tafiditra tao an-tsena. Avy eo nanatsatoka ilay antsy tamin’ ny vatany. Niezaka nitsoaka tany an’efitra hafa ihany io lasibatra io saingy narahin’ireto olon-dratsy tamin’ny tsatok’ antsy hatrany.
Nisy zazalahy kely iray niaraka tamin’io mpandraharaha io tao an-tsena tamin’io fotoana io. Niantso vonjy tany ivelan’ny trano izy saingy notsenain’ny olon-dratsy hafa tamin’ny antsy teo am-baravarana. Niondrika izy ka ny tolanam-baravarana no voan’ilay antsy. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo tsy mahataho-tody taorian’ny asa ratsiny. Nentin’ ny fokonolona teny anivon’ny hopitaly ilay raim-pianakaviana saingy tsy tana ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy. Vono olona niniana natao ary mety ho lonilony no anton’ izao famonoana feno habibiana izao. Satria, tsy nisy entana nalain’ireo olon-dratsy ireo tao an-tsena na dia iray aza. Efa miroso amin’ny fikarohana ireo nahavanon-doza ny mpitandro filaminana.
Mino




