Filaharan’ny Fifa : Miraikitra eo amin’ny faha-115 i Madagasikara

Sady tsy mandroso no tsy mihemotra! Nijanona eo amin’ny laharana faha-115 ny filaharan’ny Fifa, ny Barea de Madagascar, araka ny vaovao nivoaka, afakomaly. Miamafy ny tsindry ho an’ny mpanazatra Barea.

Eo ihany! Namoaka ny filaharan’ireo firenena amin’ny resaka baolina kitra, ny tambajotran-tseraseran’ny Fifa, afakomaly. Tazana tao anatin’izany fa niraikitra eo amin’ny faha-115 ny ekipam-pirenena malagasy, Barea de Madagascar. Tsiahivina, niakatra teo amin’io laharana io ny ekipa nasionaly malagasy ny volana avrily lasa teo. Tsy nisy fiatraikany tamin’ny filaharana, araka izany, ilay faharesen’ny Malagasy tamin’ny isa, 1 no ho 3, nanoloana an’i RDC Congo, tany France, ny volana jona lasa teo. Ampa­tsiahivina ihany, tafiditra amin’ny « Fenêtre Fifa » iny lalao ara-pirahalahiana iny. Io fihaonana io ihany no nataon’ny Malagasy na dia afaka manao fifanandrinana roa aza ny federasionina eto an-toerana. Tsy nampiova ny vokatra ny zava-bitan’ny Barea tamin’ny Cosafa 2025, natao tany Afrika Atsimo, ny volana jona teo. Marihina fa laharana fahefatra ny Barea A’. Raha tsy misy ny fiovana farany, ny 18 septambra ho avy izao ny filaharana vaovao havoakan’ny Fifa.

Tsindry ho an’ny mpanazatra …

Afaka roa volana eo, ny septambra ho avy izao, hiatrika ny fifanintsanana hiadina ny tapakila hiatrehana ny « Mondial 2026 » indray ny Barea. Mbola eo amin’ny laharana fahatelo ny vondrona I ny Malagasy, manana isa 10. Laharana voalohany kosa i Ghana, isa 15, faharoa i Comores, isa 12. Ambony ny tsindry ho an’ny mpanazatran’ny Barea de Madagascar, Corentin Martins, satria ny Federasionina malagasin’ny Baolina kitra, (FMF), efa nametraka fa tanjona ny ha­naovan’ny Barea de Mada­gascar, Mondial amin’ny tao­na ho avy io. Raha ny fahitana io filaharana io, tsy maintsy mahazo fandresena rehetra ny Barea vao tafita. Etsy ankilany, ahina ny tsy hilalao eo an-jaridainany indray ny ekipa nasionaly amin’ny volana septambra ho avy io. Hatramin’ny omaly, mbola baraingo ny tohin’ny fikarakarana ny kianja Barea Mahamasina. Ny ekipa nasionalin’i Tchad sy Centra­frique no hifandona amin’i Madagasikara amin’ny lalao manaraka eo.

Fitia Randria

Partager sur: