Muay Thai-“King of the Jungle” : Hiaka-tsehatra anio i Frédérico

Nihazo an’i Maorisy tamin’ity herinandro ity ny delegasionina malagasy, taranja Muay Thai, hiatrika ny fifaninanana “King of the Jungle”. Anio hariva no hiakatra ringa ny solontena malagasy tokana, Rakotondrabarison Fanomezantsoa Frédérico. Eo amin’ny sokajy latsaky ny 60 kg izy no hiady. Ny federasionina maorisiana ny taranja Muay Thai no mikarakara ity fifaninanana ity ary firenena 4 no mandray anjara, hahitana an’i Maurice, Mayotte, La Réunion ary i Madagasikara. Ankoatra ny fifaninanana, misy Antony lehibe ihany koa ny fandehanan’ny delegasionina malagasy any Maorisy izay nahitana ny filohan’ny federasionina, ny Tale teknika Nasionaly ary ny mpikatroka iray. Hisy ny fananganana Kaomity misahana ny Muay eto amin’ny ranomasimbe Indianina ka tafiditra anatin’ny mety handrafitra izany ny mpitantana ny Federasionina malagasin’ ny Muay Thai. Ny eo anivon’ny federasionina iraisam-pirenena (WFM) no misahana ity fananganana ny Kaomity ity.

Mi.Raz

Partager sur: