K2HB: «Tsy ho avy eto i Infantino », hoy Rakotomalala Celin

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Ankadifotsy, omaly, ny K2HB (Kaomity hamerina ny hasin’ny baolina kitra). Nahitsy ny tenin’ireo mpikambana manoloana ny zava-misy iainan’ity taranja ity ankehitriny. “Marary ny baolina kitra malagasy ary mahamenatra ny zava-misy noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra ao amin’ny federasionina ka takinay ny fametraham-pialany”, hoy Randriani­rina Jean Ignace (Ramasy), filohany. Tsy nihambahamba kosa Rakotomalala Celin, filoha lefitra, nilaza fa fanafenana ny tsy mety fotsiny ny filazana fa ho avy eto i Gianni Infan­tino, filohan’ny federasionina iraisam-pirenena (Fifa). “Tsy ho avy eto i Infantino filohan’ny FIFA”, hoy izy. Naneho ny alahelony ireo mpikambana ao amin’ny K2HB satria raha toa ka efa niarina kely ny baolina kitra ny taona 2017-2019, potika in­dray izany ankehitriny. An­koatra izay nanitrikitrika Ra­masy fa tsy misy vokatra azo antenaina izany, amin’ny Barea A sy A’ amin’ity noho ny fanomanana kitoatoa sy tsizarizary. Notsiahiviny fa tamin’ny 2020, nahazo «subevention» 2 000 dôlara, tamin’ny Caf ny Malagasy ary nanana ambim-bava ny federasionina tamin’izany. Ny taona 2023 nahazo 50 000 dôlara ny tetikasa «Foot-ball for school» saingy foana izany, nanomboka tamin’ny 2024. Araka izany, manao antso avo amin’ny filoham-pirenena izy ireo, hanara-maso akaiky ny federasionina.

Tompondaka

Partager sur: