Efatr’andro aty aoriana, mpanjono telo lahy tsy hita popoka raha nanjono tany atsimon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tsy azo an-telefaonina izy ireo ary efa lany vatsy ihany koa.
Nianga teo amoron-dranomasin’i Toamasina, ny talata 9 jolay tamin’ny 9 ora maraina ny mpanjono telo lahy. Andeha hanjono mandritra ny alina amin’ny alalan’ny fintana sy mampandry harato any atsimon’ ny seranan-tsambo no anton-dian’izy ireo. Tokony ho efa niverina ny tolak’andron’ny alarobia teo izy ireo, raha ny fandaharam-potoana. Efa lany tamin’io ihany koa ny fetran’ny vatsy nohanin’izy ireo tany an-dalana tany. Hatramin’ny nanoratana, tsy nahenoan’ny fianakaviany feo na hafatra izy telo lahy ireo. Ratsy ny toetr’andro ary somary nanao tafiotra mafimafy teny amin’ny ranomasina nandritra io fotoana nandehanan’ireo mpanjono tsy hita ireo, raha ny fanazavan’ireo mpanjono hafa. Misy ny milaza fa mety lany solika na misy fahasimbana ny maotera na lany bateria ny finday ka antony tsy ahazoana antso azy ireo. Mety ho niakatra tamin’ny nosy kely fasika atsimon’ny seranan-tsambon’ i Toamasina ihany ko izy ireo. Mitohy ny fikarohana manaraka ny moron-dranomasina ataon’ny tomponandraikitra sy ny fianakaviana. Mba hikarohana azy ireo.
Sajo




