Niakatra fampanoavana, afakomaly, ny teratany karana roa sy Malagasy iray, ahina ho mpanao trafikana Harena voajanahary. Nahatratra karazana zavamaniry voarara miisa 40 izy ireo.
Tratra nanao hosoka mahakasika ny fanondranana zavamaniry arovana tao amin’ny zaridaina iray etsy Ivoara, kaominina ambanivohitra Masindray ny teratany karana iray. Nanantanteraka fisavana teny amin’ny zaridaina iray teny an-toerana, fitehirizana ireo zavamaniry ny mpitandro filaminana tamin’ny 06 jolay 2025 lasa teo. Fisavana natao rehefa nahazo taratasy fahazahoan-dalana, avy amin’ny fitsarana. Fantatra taorian’izay, fa nampiasa taratasy fahazoan-dalana hosoka amin’ny maha mpanondrana zavamaniry azy izy. Taratasy amin’ny anaran’olon-kafa saingy nisy ny fifanarahana nataon’izy ireo teny amin’ny manampahefana. Hita tamin’ny fitsirihana fa miisa 45 ireo zavamaniry arovana saika hahondrana. Nahitana fototra 10 amin’ny «Operculicarya pachypus», Ravenea sp miisa 25 fototra, Elephantopus sp roa fototra ary Cycas valo fototra. Vokany, nosazian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy Fampandrosoana Lovain-jafy (Medd) izy io noho ireo fandikan-dalàna maro ireo.
Olona telo
Ankoatra izay, teratany karana iray, 30 taona, mitantana io toerana io ihany koa voarohirohy ho niray tsikombakomba taminy. Nitohy ny fanadihadiana, tomponandraikitra iray hafa eo anivon’ny tontolo iainana koa voahorihory. Ahina ho nandray nandray anjara mivantana tamin’ ny fanamboarana antontan-taratasy hosoka izy ireo. Mbola misy olona iray hafa eo anivon’ny minisitera ahina ho tafiditra amin’ny raharaha. Nandositra izy io ary mbola karohina amin’izao fotoana izao. Notanana sy nohamaranina eny anivon’ny sampan-draharaha eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainanana sy ny fampandrosoana lovainjafy ny zavamaniry saika hahondrana antsokosoko. Niandraikitra ny raharaha sy ny famatororana rehetra ny teo anivon’ny tobim-paritra Antananarivo Renivohitra.
Mino




