Olon-dratsy roa lahy nitam-piadiana nanambana basy ka nandroba vola an’ny mpanao Cash point teny Mahamasina Ankadilalana, ny marain’ny sabotsy 12 jolay tamin’ny 7 ora sy sasany. Hamonjy ny toeram-piasany ilay renim-pianakaviana sy ny vadiny. Niambozona ny sakaosy nisy ny vola mitetina 25 tapitrisa Ariary sy finday fampiasa ilay ramatoa. Nandrasan’ny roa lahy kendry tohana teo amin’ny arabe io mpanao Cash point io. Tsy nisy alaharo fa nisintona ny sakaosy nisy ny vola avy hatrany ireo jiolahy. “Nampitahoriny sy nambanany basy izahay ka tsy sahy namaly”, hoy ny fanazavan’ilay ramatoa voaroba. Nirifatra nanao taingin-droa tamin’ny moto ireo mpanao ratsy taorin’io. Tsy nisy nisaron-tava ireo roa lahy nanao io asa ratsy io. “Olona mbola tsy fahitanay ny endrik’izy ireo”, hoy ny fanamafisan’ny lasibatra. Efa niandry mialoha ny fotoana nandalovan’io mpanao Cash point io teo amoron-dalana ireo jiolahy, raha ny fanazavan’ny nanatri-maso. Natodiny tamin’ny arabe ny moto ka nanao mora ho azy ireo ny fandosirana. Mampanontany tena ny lasibatra ity tranga ity satria tsy lavitra ny biraon’ny zandary sy kaomisaria ny polisy ny toerana nitrangan’ny loza.
Tsiferana R.




