Vato sarobidy (rubis) milanja 59,3 grama, tratra tao anaty fitombenana lehilahy thaïlandais iray, tetsy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, afakomaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Saika hiondrana tamin’ny fiaramanidina ET852 ho any Addis-Abeba hizotra any Bangkok izy io saingy izao tratra izao. Nahatsikaritra zavatra hafahafa tao anatin’ny vatany ambany ny zandary miasa amin’ny Agence nationale anti-fraude (ANAF) rehefa nandalo teo amin’ny «body scan» io lehilahy ahina io. Nohamarinina izany ary nosamborina avy hatrany izy. Noentina teny amin’ny Hopitaly miaramila ity teratany thailandais ity taorian’izay, namoahana ireo harena an-kibon’ny tany tao anaty vatany ireo. Nahatratra 54 isa ireo vato sarobidy nalaina tao aminy izay milanja 59,3 grama. Rehefa nanontaniana izy dia nilaza fa nateliny ireo vato ka nahazo toerana tany amin’ ny fitombenany, raha ny fanazavana voaray. Miatrika fanadihadiana lalina ao amin’ny biraon’ny fadin-tseranana etsy Antanimena io olon-dratsy io amin’izao fotoana izao.
Efa maro ireo teratany tra-tehaky ny mpitandro filaminana saika hanondrana harena sarobidy hivoaka an’i Madagasikara. Nalefa eny amin’ny amin’ny fonjam-ben’i Tsiafahy avokoa izy ireo. Tsiahivina, ny 7 marsa lasa teo, teratany Indiana iray tratra tamin’ny nitondra vovo-bolamena miisa efatra, izay nataony tao anaty vilia tanimanga.
Mino




