Norarana tsy hanambady : Zandary iray mpiana-draharaha nitifi-tena

Maty nitifi-tena ny zandary iray mpiana-draharaha, afakomaly. Voalaza fa noraran’ny ray aman-dreniny tsy hanambady ny olon-tiany izy, raha ny fantatra.

Nirefotra ny basy, rotiky ny bala ny vatan’ilay zandary mpiana-draharaha iray, afakomaly maraina. Nitifi-tena tamin’ny basy Kalachnikov teny aminy izy ary namoy ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy. Nahitana diam-bala maromaro ny vatany, nifanandrify teo amin’ny fony ny roa ary nahitana diam-bala ihany koa teo ambany heliny. Mbola niaraka tamin’ny zandary namany izy talohan’io. Niditra tao anaty efitra iray izy avy eo ary tampoka, nipoaka sy nirefotra ny basy. Nikoropaka nijery sy namonjy azy ireo zandary namany taorian’izay, saingy efa tapitra ny ainy. Tsy fantatra mazava ny tena antony nahatonga io zandary io namono tena. Araka ny loharanom-baovao voaray, noraran’ny ray aman-dreniny tsy hanambady ny olon-tiany io zandary io ka nitarika azy tamin’ny fahamoizam-po. Etsy ankilany, tsy misy mahalala sy tsy mahafantatra marina mahakasika ny fisian’io tranga io ny zandary izay nantsoina an-telefaonina, omaly. Nandrasana teny amin’ny trano fonenany teny Am­pitatafika Ambohikely ny vata-mangatsiaka taorian’ny fitiliana ny razana. Efa nihazo ny tanindrazany any Alakamisy/ Am­bohimaha Fianarantsoa, omaly, kosa ny razana mandra-piandry ny fandevenana azy.

Lonilony
Raha tsiahivina, tamin’ny taon-dasa, zandary mpiana-draharaha iray (GST) no nitifitra ka nahafaty manamboninahitra kapiteny iray, kaomandin’ity ivontoeram-panofanana Centre spécial d’aguerrissement opérationnel (CSAO) Beroroha, ny 30 oktobra 2024. Misy dimy lahy izy ireo no voalaza fa tsy mifankahazo amin’io manamboninahitra iray io. Eo ambany fifehezany anefa io zandary nahavanon-doza io. Nentin-katezerana avy any amin’ny efitranony ity GST ity, tamin’io fotoana io, ka niditra tao amin’ny efitran’ ireo namany. Nalainy ny basy Kalachni­kov an’ny namany ka nofahanany avy hatrany. Niditra tao amin’ny efitranon’ilay manamboninahitra izy. Tifitra variraraka no nataony tamin’ ilay lehibeny. Vokany, rotiky ny bala ny vatany. Anisan’izany ny teo amin’ny tendany, ny lamosiny, hatrany amin’ny feny. Maty tsy tra-drano izy. Voalaza fa lonilony nihotrika no antony. Nitifi-tena ihany koa izy taorian’ izay.

Mino / Tsiferana

Partager sur: