Nivadi-pitokisana : Mpanampy nandroba 2 tapitrisa Ar

Mpanampy nangala-bola voasambotry ny zandary tao Ambavahaditokana, distrikan’Atsimondrano, afakomaly. Novakian’ny vehivavy mpanampy an-trano ny efitranon’ny mpampiasa azy ka norobainy ny vola mitetina 2 tapitrisa Ar. Nametrahan’ny tompon-trano fitokisana io vehivavy io. Mivelona amin’ny alalan’ny fanampiana amin’ny fanaovana ny raharaha isan-karazany ao amin’ny mpampiasa azy io mpanampy io. Fantany avokoa, araka izany, ny ankamaroan’ny fitoeran’entana ao trano. Nivoaka ny trano nandeha niasa ny tompon-trano ka nijanona irery tao amin’ny tokantrano fiasany ilay vehivavy. Nanita-kevitra izy ka nopitsohany ny efitranon’ny mampiasa. Nangoniny tao anaty gony ny entana heveriny ho sarobidy niampy ny lelavola 2 000 000 Ar. Saron’ny tompon-trano ny fihetsika tsy voahevitra nataon’io mpanampy io ka niantso mpitandro filaminana avy hatrany ny lasibatra. Voamarina tamin’ny zava-nisy raha teo fa nikasa handositra niaraka tamin’ny vola sy ireo entana io vehivavy mpanampy io. Nentina natao famotorana ity farany. Naverina amin’ny tompony ny entana saika nangalarina. Hatolotra ny fampanoavana tsy hoe ela ny raharaha. Marihina, miseho matetika ny fanararaotana ataon’ny mpiasa ao an-tokantrano rehefa omen’ny mpampiasa azy fitokisana loatra izy ireny.

Tsiferana R.

Partager sur: