Ahitana fanafihana mitam-piadiana matetika eny amin’ny distrikan’Antsimondrano tato ho ato. Nidiran’ny jiolahy an-keriny, manodidina ny 10, ny tokantranon’ny vehivavy iray tetsy Malaho, kaominina ambanivohitra Ampanefy, ny alin’ny sabotsy 12 jolay 2025, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina lasa teo. Tsy nisy nisaron-tava ireo olon-dratsy, mbola nirongo fitaovam-piadiana toy ny basy ihany koa. Niakatra teny ambony fefy ary notapahan’izy ireo ny tariby aron’ny fefy. Niditra an-keriny tao an-trano izy ireo ary nanambana basy ny tompon-trano. Nitaky ny vola rehetra tao an-trano. Lasa tamin’izany, ny vola 500 000 ariary, finday Android miisa 10, fakan-tsary ary fahitalavitra fisaka iray, raha ny fanazavan’ny niharam-boina. Voadaroka teo amin’ny handriny ilay vehivavy tompon-trano. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy taorian’ny asa ratsiny. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny mpitandro filaminana. Efa nanao ny fikarohana sy ny fanarahan-dia saingy tafaporitsaka avokoa ireo mpanao ratsy.
Marihina fa nitrangana fanafihana mitam-piadiana indroa misesy ny teny amin’ny disitrikan’Antsimondrano tao anatin’ny herinandro. Tsy fantatra mazava ny tena antony mampirongatra izany. Manoloana ny tsy fandriampahalemana eny amin’ny disitrikan’ Antsimondrano, miantso ny tomponandraikitra ny mponina, mba hijery sy handray andraikitra manoloana izao tranga mateti-piseho izao.
Mino




