Reharehan’ny Malagasy ny rofia. Araka ny antontanisan’ny FAO ny taona 2023, manodidina ny 80 000 t/taona ny vokatra eto Madagasikara. Ambany ny tombontsoan’ny mpanao taozavatra, satria aondrana tsy voahodina any ivelany ny 70% ny rofia malagasy. Raha ny antontanisan’ny UNCTAD, ny taona 2022, ahazoana tombony avo 3 na 5 heny ny sanda ara-barotra ny fanodinana ny akora, tokony hitondra tombontsoa ho an’ny mpanao asa tanana malagasy misa 48 900, voasoratra anarana any amin’ny Instat, ny taona 2020.
Ireo no anisan’ny nanaovana ny fivoriambe nasionaly ho an’ny rofia, omaly, natrehin’ny minisitry ny Tontolo iainana (Medd), Andonirina Max Fontaine, ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA), Dewa Viviane, ary ny minisitry ny Fanodinana sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa David.
Fanamby napetraka ny manoloana ny fitrandrahana gaboraraka, satria 5 000 ha isan-taona ny ala simba (WWF, 2022). Tsy misy ny fanodinana eny ifotony ka tsy afaka miditra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tsy ampy ny fanomezan-danja ny vokatra tsy voahodina, na dia mahatratra 2 441 dolara/kg aza ny vidiny any Frantsa (Trademap,2024). Tanjona amin’ity fivoriana ity ny fanodinana eny ifotony, ny fanavaozana ny teknikam-panodinana, ny fampiasana ny teknolojia niomerika. Eo koa ny fanamafisana ny fifaninanana amin’ny fametrahana ny mari-pamantarana ny vokatra «Label vita malagasy».
Njaka A.




