Tsy ampy ny tolotra sy ny fitaovana : Tsy mitsaha-mitombo ny fihanaky ny VIH/Sida eto Madagasikara

Miakatra hatrany ny tahan’ny olona mitondra ny tsimokaretina eto Mada­gasikara. Olana eo amin’ny tsy fahampian’ny fitaovana ahafahana mitily sy ny fandraisana an-tanana ny marary no antony.

Tsy mitsaha-mitombo ny fihanaky ny tsimokaretina VIH/Sida eto Mada­gasikara, raha ny fanadihadiana nataon’ny tetikasa Sycavi, nandritra ny fanolorana ny valin’ny fanadihadiana tetsy Antanimena, ny herinandro lasa teo. Olona efatra amin’ny dimy no miaina miaraka amin’ny tsimokaretina VIH/Sida eto Madagasikara nefa tsy mahafantatra izany akory, raha ny antontanisa navoakan’ny ONUSida tamin’ny 2023. 22 % ny olona mitondra ny tsimokaretina kosa no mahafantatra, raha ny tatitra hatrany. 76 000 ny olona vinavinaina ho mitondra ny tsimokaretina eto Madagasikara. 26 703 no fantatra sy hita ary mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao fotoana izao, raha ny antontanisa navoakan’ny “Program­me national de lutte contre les IST et VIH/Sida” (PNLS), tamin’ny desambra 2024. Mbola misy olona manodidina ny 50 000 isa eo ho eo karohina.
Olana mahatonga izany ny tsy fahampian’ny fitaovana hiarovana sy handraisana an-tanana ny olona ary ny tsy fahampian’ny fitaovana fanaraha-maso ireo marary, raha ny fanadihadiana nataon’izy ireo. Mbola misedra olana amin’ny lafin-javatra maro ny olona, indrindra ireo olona tena tandindomin-doza (PCPER) ary ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH (PVVIH) eto Antananarivo, araka ny fanadihadiana. Nanontaniana tamin’izany ny vondron’olona tiliana manokana, mety hamindra ny tsimokaretina. Eo ireo olona mitsindrona zava-mahadomelina izay mampiasa fitaovam-pitsindromana, mpampanofa tena, ireo miara-miaina miaraka amin’ny VIH/Sida, ary ireo olona mitovy fananahana manao firaisana ara-nofo. Nambaran’izy ireo fa maro ny olana mbola sedrain’ny vondron’olona tiliana samihafa, mahakasika ny fiparitahan’ny tsimokaretina VIH/ Sida. Olana mivoitra indrindra tamin’izany, ny tsy fahampian’ny fanentanana sy ny fahalalana ary ny fitaovana entina hamaliana ireo filan’ny mpisitraka. Nohamafisin’ireo tomponandraikitra nampahafantatra ny valin’ny fanadihadiana fa nisy tsy fahampiana ireo sampandraharaha mandray an-tanana nandritra ny fotoana nanaovana fanadihadiana. Efa nisy kosa ny fanatsarana nataon’ireo tomponandraikitra taorian’ny antso avo nataon’ireo mpiantsehatra teo anivon’ny tetikasa.

Ilaina atao ampy ny fitaovana fiarovana
Tsy misy dikany ny fanentanana raha toa ka tsy misy ny fitaovana fiarovana. Vaha­olana lehibe ny fahampian’izany. Hamoraina ihany koa ny fanaovana fitiliana, mba hahafahan’ny tsirairay mahafantatra na mitondra ny tsimokaretina izy na tsia, raha tiana ho tratra ny ady amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina. “Tokony efa ho vonona ny fitaovana fanaovana fitiliana io rehefa misy olona anankiray hanatanteraka izany”, hoy ny Dr Ravelohanta Mananaharisoa, mpandrindra ankapobeny ny tetikasa Sycavi. Tokony hitohy foana ny fanentanana, aorian’ny fahafantarana ny valin’ny fitiliana. “Raha toa ka voan’ny tsimokaretina ilay olona dia tokony hisokatra sy hisitraka maimaimpoana ny fanafody ARV izy”, hoy ihany izy. Mila tohizana foana ny fanaraha-maso ilay marary sy ny fandraisana an-tanana tokony atao aminy, rehefa mihinana ilay fanafody. Tanjona amin’izany, ny mba hahafahana misoroka ny fiparitahan’ny tsimokaretina VIH/Sida. Mano­loana ny fanilikilihana sy fanavakavahana, zava-dehibe ny mampianatra ny olona tsirairay avy. “Toy ny olon-drehetra ihany ny olona mitondra ny tsimokaretina ary manana zo hisitraka tahaka ny olon-drehetra ihany ary manana ny zo hisitraka ny zo hahazo fitsaboana ara-dalàna”, hoy Dr Rasolo­fihanitra Toavina Jhon, avy amin’ny firaisamonim-pirenena (organisation de la société civile). Nambarany fa hita sy tsapa fa zava-dehibe ny fampianarana ireo mpisehatra rehetra eo anivon’ny VIH, mahakasika ny fivoarana rehetra manodidina ny aretina.

Mitsangana ny OPP Mada

Betsaka ny mpisehatra amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny VIH/Sida. Nijoro ny OPP Mada, natao hivondronan’ireo mpiantsehatra fiarahamonim-pirenena mba hanamorana ny fandrindrana, ahazahoana angon-kevitra mirindra sy milamina mahakasika ny fanadihadiana atao amin’ny ady amin’ny VIH/Sida. Fototra telo no ijoroan’ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina. Eo ny eny anivon’ny governemanta, ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, ary ny fiarahamonim-pirenena. Hatramin’izao, afaka misitraka torohevitra isan-karazany tokony alehan’ireo olona mitondra ny tsimokaretina.
Voasazy ny olona mikasika zava-mahadomelina raha ho an’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Ho an’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka indray, mijery ny fomba rehetra ahafahana mitsabo ireo olona ireo izy ireo. “Izahay ato anatin’ny fiarahamonim-pirenena, dia mijery ny vahaolana, sy mankahery ireo olona mitsindrona zava-mahadomelina ireny”, hoy ny filohan’ny OPP Mada, Firinga Johnson Victorius. Nambarany fa apetraka amin’izany ny fifampitokisana, lazaina aminy fa tsy mety ny “seringue” tokana ampiasaina ary omena “seringue” hafa izy ireo. Tarihina amin’ny fialana tsikelikely amin’ny resaka tsindrona izy ireo rehefa mifampatoky. Mba hialana amin’ny fanagadrana azy sy ny maro hafa. Ezaka ataon’ny OPP ny milaza ireo olana rehetra misy sy hitadiavam-bahaolana mahakasika izany.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: