Izay vao hita! Razana sisa no nofongarin’ny fianakavian’i Mahandry, omaly. Tsy hita ny volana marsa izy, raha nikasa ny handeha hividy vary tany Soavinandriana. Voasambotry ny polisy ireo ahina ho nahavanon-doza.
Tsy hita popoka nandritra ny efa-bolana sy tapany i Mahandry. Taolam-balo sisa no hany tafaverina tany amin’ny fianakaviany, omaly. Hita tao Ambohitrimanjaka, Fokontany Fiantsonana, kaominina Ambonivohitra Soavinandriana ny razana rehefa nokarohina nanomboka ny voalohan’ny volana marsa lasa teo. Nanoro ny toerana nandevenany azy ny lehilahy roa voarohirohy, voasambotry polisy. Tany amin’ny toerana lalana 30 minitra, miala ny fiantsonan’ny taksiborosy, mandeha an-tongotra izany.
Raha tsiahivina, nitondra moto vao novidiany izy niala ny toeram-piasany ny 1 marsa. Niaraka tamin’ny olona iray hafa, nilaza ho mahita toerana hividianana vary ity farany. Tsy nody an-trano sy tsy azo an-telefaonina intsony i Mahandry. Nampiahiahy ny fianakaviany ny zava-nitranga, nametraka fitoriana izy ireo. Marihina fa very niaraka taminy ihany ko any moto.
Nanomboka ny fikarohana. Hitan’ny olona nitaingina ny moton’i Mahandry ilay lehilahy niaraka taminy farany. Nitsoaka avy hatrany izy, navelany teo ilay moto.
Tra-tehaka ihany
Tsy nijanona ny fikarohana, niafina tany Antanifotsy-Antsirabe ilay rangahy taty aoriana. Voasambotry ny polisy izy taorian’ny angom-baovao mari-pototra. Niainga avy aminy rahateo no nahalalana ny marina rahetra toy ny famonoana an’i Mahandry, ny halatra moto, ary ny fandevenana antsokosoko. Mbola karohina kosa ny namany.
Efa azon’ny fianakaviana omaly, ihany ny razana izay efa tena rava tanteraka. Ny ankanjony namonosan’ireo olon-dratsy azy ihany sisa no nahalalan’ny havany azy. Nanampy ny fianakaviana ny solombavambahoaka tany an-toerana tamin’ny fakana ny razana noho ny fahasarotan’ny lalana. Mitohy ny fanadihadiana.
Tsiferana




