Tokantrano iray indray nidiran’ny jiolahy miisa dimy nisaron-tava daholo sady nirongo fitaovam-piadiana tao amin’ny fokontany Analankinina Hopitaly Be, parisela 12-21/22, kaominina Toamasina, afakomaly. Nisava ny trano sady nitaky vola ireo olon-dratsy rehefa tafiditra. Nanambana basy sy antsy ny tompon-trano ny jiolahy hafa. Nilaza ho tsy nanana sady tsy nampiditra io vola izay tadiavin’ireo olon-dratsy io ny lasibatra. Nanontany anaran’olon-kafa ireo mpandroba taorian’io. Notsindrin’ny tompon-trano nandritra ny fifandirana fa tsy izy ireo velively no mitondra ny anarana notononin’ireo mpangalatra. Niloa-bava tamin’ny namany ireo jiolahy fa diso adiresy. Nivoaka moramora ny trano izy ireo ary lasany ny vola fito alina tahirin’ny tompon-trano. Tsiahivina, tokantrano miisa efatra manodidina io trano nidiran’ny jiolahy io izay efa nasian’izy ireo vato avokoa teny am-baravarana.
Sajo




