Ampitatafika : Lehilahy voatsatok’antsy hita faty

Lehilahy manodidina ny 30 taona eo, hita faty teny Sidi­sidina Tangaina, fokontany Atsimombohitra, kaominina Ampitatafika, distrika Antana­narivo Atsimondrano, omaly maraina tamin’ny 6 ora. Mpan­droaka sarety sy mpanao biriky nandeha maraina no nahita vatan-dehilahy iray nivalampatra ka nampilaza ny tomponandraikitra. Tonga teny an-toerana nijery sy nanao ny fa­nadihadiana ny zandary avy eo Ampitatafika. Niaraka tamin’izy ireo ny mpitsabo avy ao amin’ny CSB2 Faliarivo, nizaha ny razana. Nahitana tsindron’antsy teo amin’ny takibany. Naratra ihany koa ny lohany ary nivonto ny saokany, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo teny an-toerana. No­heverina ho nisy namono tany ho any ary nalefa tao anaty rano, avy eo notarisina sy napetraka teo amoron-dalana manakaiky tanimbary ny razana. Nahitana fako toy ny gony sy mololo nanaraka ny vatany. Feno fotaka ihany koa ny va­tany sy ny akanjony.

Tsy mbola fantatra ny havany
Tsy mbola fantatra ny ha­van’io maty io ary tsy avy eny Ampitatafika ihany koa ny fiaviany satria tsy nisy nahafantatra azy ny olona teny amin’ny manodidina. Tsy nahitana taratasy manamarina ny mom­ba­mom­ba azy ihany koa teny ami­ny, rehefa nosavain’ny ma­nam-pahefana. Nanao ny fikarakarana sy nanatitra ny razana teny amin’ny tranom-paty HJRA Ampefiloha ny avy amin’ny kaominina Ampitatafika. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.

Mino

Partager sur: