Tafika miisa roa, niampy vehivavy iray hafa, niara-voasambotra momba ny fakana an-keriny tao Ankadikely, distrika Avaradrano, ny 15 jolay teo. Notakin’ireto voasambotra vola mitetina 10 tapitrisa Ar ny lasibatra.
Nitonona ho mpiasan’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) ireo olon-dratsy naka an-keriny vehivavy iray teny amin’ny trano fonenany eny Ankadikely-Ilafy, ny 10 jolay lasa teo. Nentin’ireo olon-dratsy tamin’ny toerana mangingina anefa io vehivavy io ka nataony takalonaina. Nitaky lelavola 10 tapitrisa Ar tamin’ny vadin’ny lasibatra ireo jiolahy. Nametraka fitoriana teny anivon’ny zandarimaria ny fianakavian’ilay vehivavy. Niroso tamin’ny fanangonana ny loharanom-baovao ny mpitandro filaminana. Nanao ny paikady rehetra ka nisava trano fonenana iray voalaza fa nieren’ireo mpaka an-keriny teny Antsahamamy, Ambolokandrina, ny zandary, ny 11 jolay. Sarona tao ilay vehivavy natao takalonaina izay notapenana ny masony. Serzà sefo mpiambina lehiben’ny Andrimpanjakana iray teo aloha, tratra niaraka tamin’ny vehivavy iray hafa niray tsikombakomba taminy. Nihazona fitaovam-piadiana mahery vaika, PA, niampy bala miisa valo ilay Serzà. Tsy nandoa vola, araka izany, ny vadin’ny lasibatra.
Adjidà no atidoha
Natao famotorana ilay Serzà voasambotra. Nitoroka ny mpiray tsikombakomba taminy izy. « Adjidà efa niasa tao amin’ny DAS Betatao – Anjozorobe no voalaza ho tompon’antoka », hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Antananarivo Renivohitra. « Mponina avy ao Anjozorobe ireo lasibatra saingy mipetraka ao Ankadikely. Nahafantatra ny foto-piveloman’izy mivady io adjidà io ka niketrika ny fakana an-keriny », hoy ny fanazavana voaray. Niroso tamin’ny fisamborana ity farany ny mpanao fanadihadiana. Niaraka natolotra ny fampanoavana, omaly, ireo olona telo voasaringotra. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.




