Ny sisan’akanjo tsy may toy ny « Tee-shirt », hany sisa namantaran’ny fianakaviany, ny raim-pianakaviana hita faty tao amin’ny fokontany Morafeno, kaominina Arivonimamo, omaly. Mpiandry omby nandalo vao maraina no nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa tao anaty lava-pako. Nampandre avy hatrany ny lehiben’ny fokontany izy. Nojerena, kinanjo fatin’olona efa simban’ny afo ity nisy nanary ity. Tetsy ankilany, nikasa hanao fanambarana eny anivon’ny radio sy hampandre ny manam-pahefana ny fianakaviana. Tsy hita nanomboka ny harivan’ny talata 15 jolay teo ny havan’izy ireo rehefa avy namonjy fetim-pianakaviana. Nanamarina avy hatrany ny solontenan’izy ireo raha toa ka havany io hita faty io. Nijery ny rovitr’akanjo efa sisan’ny afo sy ny ba kiraro. Voamarin’ny zanany fa rainy tokoa ity hita faty ity. Nanao ny fizahana ny mpitsabo eo anivon’ny CSBII Arivonimamo. Niroso amin’ny fanokafana fanadihadiana ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana.
Tsiferana R.




