Manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fametrahana tantara eto amin’ny Firenena ny fitondram-panjakana, ankehitriny. Mitohy ny fametrahana ny fotodrafitrasa isan-karazany manerana ny lafivalon’ny Nosy. Tsy misy adino tokoa ny isam-paritra fa na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra dia samy mahazo ny anjarany. Mitohy rahateo ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fijerena ny lafiny toekarena.
Ny resaka diplaomatika dia tsy asian-teny intsony! Miroborobo izaitsizy. Mihazakazaka ny fitadiavana fiaraha-miasa amin’i Madagasikara. Tsy mihanona amin’ireo firenen-dehibe tandrefana fotsiny fa mipaka hatrany amin’ny tatsinanana, mpiara-miombon’antoka hatrizay. Tsy hadino ireo firenena vao misandratra izay efa manokatra varavarana ihany koa amin’ny fifanomezan-tanana.
Manoloana izany dia tsy azo atao ambanin-javatra ny mahakasika ny fiainan’ny Malagasy ato anatiny. Izay indrindra no tsy maintsy hijerena akaiky ny andavanandron’ny mponina. Manahirana ihany ilay mihaingo ambony tsikoko. Manitra mamerovero any ivelany fa mantsimantsina fahantrana lalina. Tranga tsy azo hodian-tsy hita, mba hitadiavam-bahaolana haingana sy maharitra ihany koa.
Tsy moramora ny manao izay aloha raha ny hodidina misy amin’izao fotoana izao. Mitaky finiavana sy fandavantena lehibe avy amin’ny isam-batan’olona ilay izy. Tsy miankina amin’ny mpitondra samirery akory na ny mpanao politika. Matetika lasa aloha ny fifanomezan-tsiny, fa tsy ny famitana ny adidy manandrify. Hany ka ny miiba no manindry ny miabo, mitongilana tsy satry ny mizanan’ny fifandanjam-piainan-dRamalagasy.
Mitaky adidy masina avy amin’ny tsirairay ny zava-drehetra misy amin’izao fotoana izao. Tsy mahavita na inona na inona ny fiolonolonana sy ny fizahozahoana na ny fanomezan-tsiny be fahatany. Tao-trano tsy efan’ny irery intsony ny fialana amin’ity fahasahiranana faobe ity,
r.r




