Nanjary sahirana manavaka ny ratsy sy ny tsara ny Malagasy. Na efa hita ankarihary izao aza fa ratsy, mbola teraka ihany ny adihevitra hoenti-maneho fa tsara ilay tranga. Na ireo ambara fa manam-pahaizana sy be diplaoma aza, milaza fa « tsara » io. Tahaka izany hatrany. Antony lehibe no mahatonga izany.
Fady, olom-pady. Resy, olon-dresy… Fantatry ny Malagasy ny fisian’ireo. Nohajainy ny fady. Tsy nenjehiny ny resy. Ampahana soatoavina anisan’ny bitika indrindra. Amin’izao vanim-potoana izao. Satria tsy voahaja intsony ireo. Mbola misy ny mitarika adihevitra sy manan-kalahatra fatratra ka milaza fa « tsy misy izany teny ratsy izany ». Ta-haka ny manao hoe, azo tenenina daholo izay teny mby ao am-bava. Na, tahaka ny miteny hoe, tsy misy olom-pady izany ny Malagasy fa lazao avokoa izay tian’ny vavanao ambara. Nanjary tsy nahay nanavaka ny ratsy sy ny tsara intsony ny Malagasy, satria, ilay soatoavina mihitsy no niniana dikaina na voadika.
Mahavariana fa tafalatsaka amina tranga tahaka izao ny sehatra sy ny sokajin’olona samihafa. Ireo mitonona ho mpandala ny fomba, mpitandro ny hasina. Eo imason’ny « mpianany » ihany no maneho izany fa raha vao any an-takonana, mivarilavo, miteny ratsy, manompa, manaotao foana, manota fady mihinankinam-poana, sns. Ireo heverina ho manam-pahaizana. Olona nianatra sy « be diplaoma ». Ireo heverina ho raiamandreny, sns. Vao misoka-bava, miteny ratsy, ny hafa…
Tsy manalavitra ireo tranga ireo ny fanotana fady
Hazakazaka arahin-tosika ny fanotana fady ataon’ny Malagasy. Raim-pianakaviana manolana ny zanany. Tranga, omaly, lehilahy maromaro manao firaisana ara-nofo amina biby. Renim-pianakaviana mamono ny menaky ny ainy… Ota fady teo amin’ny Malagasy, kanefa, efa mahazatra ny sofina ny mihaino azy ankehitriny, ny mivarotra tanin-drazana. Na misy izao aza ny fady, noho ny fanaovana tsinontsinona ny soatoavina, tsy mahafantatra sy tsy mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy intsony ny Malagasy.
Amin’ny ankapobeny, soatoavina sady notandreman’ny Malagasy fatratra ny fahalalana fa « ny todin’itsy natao no miverina ». Tsy sahy nanao ratsy ny hafa izy, satria, fantany fa hanody azy sy ny taranany ny fanaovana izany. Tranga maneho ankarihary fa mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy ny Malagasy fony mbola nametraka eo an-dohaloha ny soatoaviny.
Saingy, taty aoriana, tafiditra teto Madagasikara ireo karazam-pinoana sy karazam-pivavahana maro izay nampianatra ny Malagasy fa « voavela ny helokao ». Na, « efa nobaben-dRanona ny heloka vitanao ». Na, « mandehana mibebaka any amin’ny mpitondra fivavahana fa omeny famotsoran-keloka ianao dia madio rehefa manatanteraka izay asa fivalozana lazainy », sns. Hadinon’ny Malagasy sasany ilay soatoavina: « tsara atao, manody ; ratsy atao, manody ». Very ilay soatoavina hoenti-mampiasa ny zoro firarazana. Tsy nitodika nianavaratra atsinanana intsony ny Malagasy hany ka tsy fantany intsony ilay soatoavina « aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary eo an-tampon’ny loha ».

Mila fitandremana fatratra
Tsy misy tranga manitsaka na manao tsinontsinona na tsy ahafahana manaja ny soatoavina ka mbola lazaina ho « tsara » ihany. Mila fitandremana fatratra kosa, anefa, ny fahalalana ny soatoavina mba ho tena izy tokoa fa tsy ilay namboamboarina na ilay nampidirina avy atsy na avy aroa. Faharoa, samihafa fa tsy voatery hitovy ny soatoavina. Madagasikara rahateo midadasika. Fady ho an’ny eto Imerina, ohatra, ny mampiseho sy mampandihy ny faritra sasany eo amin’ny vatana mba tsy hahavery hasina azy ireny. Satria, izay ilay soatoavina. Tsy isalasalana fa « ratsy » ho an’io faritr’Imerina io ny manao zavatra mifanohitra amin’izany.
Misy koa ny « ratsy » na ny « tsara » iombonana. Rehefa mivalana ny feon’ny mpihira. Tsy tokony hikarohan-kevitra hafa intsony hoenti-milaza fa « tsara » ilay feo. Soatoavina malagasy rahateo ny manitsy sy manarina am-panajana ny tsy mety ka nilazany hoe : « toko tapaka, vilany mitongilana, izay tsy mety harenina ».
Ny soatoavina tsy mety lany andro?
Ho an’ny mpandinika ny fivoaran’ny fiarahamonina, « Tsy mba lany andro ny soatoavina, satria, io no antoka mampijoro ny olona iray, ny fiarahamonina iray, ny firenena iray ». Raha ny hevitr’ireto sokajin’olona ireto, rehefa manary ny soatoaviny ny tsirairay sy ny fiarahamonina
ary ny firenena misy azy, efa mizotra miandalana any amin’ ny fahapotehina izy ireo… Sarotra ny manjanaka na mamotika firenena iray raha mahatazona ny soatoaviny izy.
Ho an’ny Malagasy, maro ny soatoavina. Samihafa ihany koa izy io. Mety misy mifanohitra aza, satria, harena ny fahasamihafana. Tsy sakana tamin’ ny fiarahamonina teo aloha ny mifanaja ao anatin’io fahasamihafana io. Amin’izao vanim-potoana izao, noho ny antony isan-karazany. Na ilay (na ireo) tompon’ny soatoavina aza tsy mahafantatra ny azy akory, hany ka manezaka ny: « izany ve tsy efa lany andro » ? Ny hafa mivoy mafy ny hoe : « tamin’ny vanim-potoana tao anatin’ny haizina izany », sns. Ny tranga tahaka ireo no anisan’ny nandatsaka lalina an’i Madagasikara ao anatin’ny fahalova
HaRy Razafindrakoto




