35 andro katroka androany ilay “Anniversaire mainty”, teny Ambohimalaza. Olona 31 no maty. Tsy hita ny tena marina. Mihenjana ny fianakaviana. Mivadika ho fifamotehan’ny politisianina ilay tranga.
Tsy hilefitra vokatry ny famoizana ny ain-janany sy havany nateraky ny sotasotan’ny hafa, taorian’ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza, iray volana aty aorian’ny tranga, ny fianakavian’ny maty. Hametraka fitoriana izy ireo, izay nisy ny namoy zanaka, mpiray tampo. Mihenjana ka mitaky ny hisehoan’ny marina momba ny raharaha izy ireo. « Hitory ny tompom-pety sy ny reniny izahay. Tsy hanaiky raha tsy mivoaka ny marina momba io raharaha io », araka ny fanazavan’ny rain’i Tiavina, ilay faha-29 namoy ny ainy.
Miaina anaty tebiteby sy alahelo ny ankamaroan’ny fianakaviana. Tafakatra 31 rahateo no maty hatramin’ny alin’ny alakamisy 17 jolay teo. «Zaza tokony hanana ny hoaviny. Hanala bakalorea, nafoiko tao anatin’ny iray volana ny zanako roa», hoy ny renin’i Nombanà, ilay ankizivavy faha-30 namoy ny ainy, afakomaly. Ity farany izay nahitan’ny mpitsabo fivoarana ny fahasalamany saingy izao maty tampoka izao. « Resy izahay fianakaviany », hoy ny rainy, Zakaria Ravelosonina. Tovolahy iray namoy ny aina omaly atoandro ka nahatonga ny isan’ny maty ho 31.
Niombom-bavaka
Manoloana ny voina niseholany, nifanohana sy nitondra am-bavaka ireo zanany sy havany maty, teny amin’ny kianja Maitso Analamahitsy, ny fianakavian’ny lasibatra, omaly. Nifanohana ireo samy fianakaviana lasibatra ary miandrandra ny hisian’ny fivoahan’ny marina momba ity raharaha ity. Hita nivezivezy teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Nandamina sy nitondra ny fandriampahalemana nahafahan’ny fiombonam-bavaka nizotra am-pilaminana.
Manjavozavo
Tsy hita be ihany ny fivoaran’ny fanadihadiana sy famotorana. Mihanona sy mihonona amin’ny fanambarana ofisialy ny fanjakana. Anisan’ny mampametra-panontaniana ny fitarazoana mba hahalalana hoe iza na iza? Misy sa tsy misy olona manan-kaja voasaringotra? Nanaitra rahateo ny fifonana ampahibe-maso nataon’ilay pasitera nanely ny vaovao mahakasika minisitra. « Miala tsiny sy mifona aho. Nanely vaovao tsy marina sy tsy hananako porofo », hoy ny fanazavan’ny pasitera Christian Rakotoniera.
Manararao-paty
Mifanindran-dalana amin’izay, mivadika ho fitaovana politika ilay raharaha Ambohimalaza. Tsy fantatra mazava intsony fa mivoaka tsikelikely ny anarana mpitondra ambony maromaro. Voalaza fa misy ifandraisany mivantana amin’ ny tompom-pety. Zary mifamotika sy mifandetika eny amin’ny tambajotran-tserasera izy ireo. Ny zava-misy dia mifanandrify indrindra amin’ny mety ho fanovana governemanta ilay izy. Hikoha-maina aza atao ny an’ny mpanao politika, mainka fa misy zoron-drirany azo hidirana. Tsiahivina fa nisy olona miisa valo niara-voasaringotra tamin’ity raharaha ity, herinandro monja taorian’ny tranga. Notanana am-ponja vonjimaika taorian’ny fampanoavana ny vehivavy roa havana akaiky an’ilay tompom-pety raha toa ka ombiasy voatondro ho nanome ny poizina ny iray.
Randria




