Mamono vahoaka amin’ny alalan’ny hosoka, nosamborin’ny mpitandro filaminana ireo roa lahy nivarotra menaka sandoka tao Tanambao Sotema Mahajanga, ny alarobia 16 jolay teo. Nikasa hividy menaka ny renim-pianakaviana iray ka tojo azy roa lahy. Tsy nisalasala nanonona ny vidin’io entana io ireo mpisandoka. Taitra ilay ramatoa satria mora tsy araky ny eritreretiny izany. Nojereny ny kalitaon’ny menaka saingy tsy mitovy amin’ny menaka fampiasa amin’ny andavanandro. Niahiahy avy hatrany izy. Nampandre ny mpitandro filaminana ka niroso tamin’ny fisamborana ny polisy. Niaiky ireo roa lahy fa menaka hosoka ity nokasainy hamidy ity. Nogiazana io entana io raha toa ka hatolotra ny fampanoavana izy roa lahy. Marihina, anisan’ny miteraka fanapoizinana ara-tsakafo ny fiparitahan’ny sakafo lany dahy sy ireo hosoka tahak’ity tao Mahajanga ity.
Tsiferana R.




