Nitaky 10 tapitrisa Ar: Naiditra am-ponja ireo mpaka an-keriny miisa telo

Notanana vonjimaika any am-ponja, ny alin’ny alakamisy 17 jolay, ilay serza sy adjidà niampy vehivavy niray tsikombakomba, tamin’ny fakana an-keriny tao Ankadikely Ilafy. Nikasa hahazo vola mi­te­tina 10 tapitrisa Ar tamin’ny rangahy izay vadin’ilay ramatoa nataony takalonaina izy ireo kinanjo tra-tehaky ny mpitandro filaminana. Nalain’ireo tsy mataho-tody tao amin’ny trano fonenany ny renim-pianakaviana iray, ny 10 jolay lasa teo. Nentina tany amin’ny toerana manokana io vehivavy io. Notapenana ny masony ary notakiana vola an-tapitrisa ny vadiny. Nametraka ny fitokisana tamin’ny mpitandro filaminana momba ny fanadihadiana ny tranga ny fianakavian’ny lasibatra. Natao ny vela-pandrika sy ny fikarohana. Vo­kany, sarona tao amin’ny to­kantrano iray teny Antsa­ha­ma­my Ambolokandrina, ny serzà iray nitam-basy sy vehivavy namany. Nihazona an-keriny an’ilay renim-pianakaviana izy roa ireo. Nentina natao famotorana ireto farany. Nitoroka ny tompon’antoka tamin’io fihazonana takalonaina io. Voasam­botra ilay adjidà misotro ronono, ny 15 jolay. Nentina niakatra fampanoavana izy telo mianadahy ka niafara amin’ny fiha­zonana am-ponja.

Tsiferana R.

Partager sur: