Naneho ny heviny momba ny fotoam-piasan’ny filoha ny sekretera jeneralin’ny Vovonana Ifi. Malalaka ny fanehoan-kevitra momba izany, araka ny nambarany.
“Misokatra ny adihevitra demokratika ny amin’izany”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Vovonana Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (Ifi), ny pasitera Razafindramanitra Nestor, ny amin’ny filazan’ny olom-boafidy iray tany amin’ny faritra Matsiatra Ambony, herinandro vitsivitsy lasa izay, hoe tsy misy roa tsy misy telo. Tsy inona fa fangatahana ankolaka ny fe-potoam-piasana fahatelo ho an’ny filohan’ny Repoblika. Malalaka ny fanehoan-kevitra politika. Tsy lavina izany raha mahasoa, raha ny nambarany. Mbola adihevitra izay. Tsy hoe Baiboly ny lalàmpanorenana ka tsy azo ovaina.
“Amin’ny maha pasitera ahy, ny fihevitro tsy fihevitrareo, ny lalako tsy lalanareo”, hoy izy. Apetraka amin’ Andriamanitra izay mahasoa. Tsy hoe ampy na tsia ny fe-potoam-piasana roa ataon’ny filohan’ny Repoblika, fa mbola mitohy ny tantara. Tsy hoe mankasitraka ny fampitomboana izany izy na tsia. Mila mahay mihaino ny rehetra, mahay manao fandalinana. Azo soloina ny lalàmpanorenana. Tsy Baiboly io. Tsy misy olana koa rehefa ilaina ny manohy azy. Mbola adihevitra misokatra izay.
Zon’ny rehetra ny manana izay fanehoan-keviny. Tany demokratika i Madagasikara. Mbola lavitra koa ny amin’izay fampitomboana fe-potoam-piasana izay fa tsy voafaritra izao. Samy manana ny heviny ny olona, tsy azo melohina amin’izany. Tsy misy mahadiso azy ny fanehoan-kevitra. Izay no anaovana politika, anehoana ny hevitra sy ny hetaheta ary ny vinam-piaharamonin’ny tena, hampandrosoana ny firenena. Raha izay no mahasoa, arakaraka izay ny zava-mitranga eo amin’ny tantara.
R. Nd.




