Maty ny tovovavy vao 17 taona. Naratra ny anadahiny iray. Nipoahan’ny grenady, izay nisy nanafina tao ambany fandrian’izy ireo.
Tsy nisy nahafantatra ny fisian’ny grenady tao an-tranony, namoy ny ainy vokatry ny fipoahan’io fitaovana mahery vaika io ny zanaky ny tompon-trano tao Andongoza, fokontany Savahaonina kaominina ambanivohitra Andrainjato Est, distrikan’i Lalangina, ny zoma lasa teo. Nasain’ny rainy nanadio trano ireto zanany ireto tamin’ny 03 ora tolakandro. Niroso tamin’ny fandraisana kifafa arak’izany izy mianadahy. Nentin’ny tsy fahalalana na inona na inona, nisikotsikotra ny tany ambany fandriana sy ny toerana heverin’izy ireo hiangonan’ny vovoka ao an-trano ity zanany vavy. Kinanjo, nirefotra tampoka ny grenady. Nipitika teny amin’ny tavan’izy mianadahy izany. Vokany, maty teo noho eo ilay tovovavy 17 taona raha toa ka naratra mafy ny zokiny lahy, 21 taona. Tonga ara-potoana taorian’ny fampandrenesana ny zandary notarihan’ny kaomadin’ny vondro-tobi-paritra Fianarantsoa. Araky ny fanadihadiana nataon’izy ireo, “tsy nisy nahalala akory ny fisian’io grenady io sy izay mety ho tompony ry zareo tompon-trano”, hoy ny fanazavan’ny zandary.
An’ny rahalahin-drainy?
Anatin’ny fanadihadiana lalina mahakasika ny olona nitondra io grenady io tao amin’ity tokantrano nidiran-doza ity ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Araka ny fanamafisan’ny kaomadin’ny vondro-tobi-paritra Fianarantsoa, heverina ho an’ ny rahalahin-drain’ireto zaza tra-doza ireto ihany ilay grenady. Notsindriany fa tsy mpitandro filaminana anefa ny lehilahy. Ity farany izay mandalo matetika ao amin’ny fianakaviany. “Tany amin’ny toerana noheverina ho tsy misy mahita sy sarotra io grenady io”, hoy hatrany ny zandary. Hatramin’ny omaly, manaraka fitsaboana eny anivon’ny hopitaly ao Tambohobe ilay tovolahy naratra mafy.
Tsiferana Randriatiana