Toamasina : Tovovavy 15 taona nananton-tena

Tovovavy mbola mpianatra hita faty nihantona tamin’ny hazo tao amin’ny fokontany Andranomadio, parisela 11/43, kaominina Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Vao 15 taona monja ary mianatra amin’ny sekoly tsy miankina iray ao an-toerana io ankizy io. Tsy nody an-trano izy efa ho roa herinandro mahery. Nikaroka azy nandritra izany ny fianakaviany saingy tsy nahita. Niaraka tamin’ny sakaizany io zaza io, araka ny nambaran’ny fianakaviany ka antony nahatonga azy tsy nody an-trano intsony. Nangalarin’ilay ankizivavy ny finday raitra an’olona iray ka antony nandosirany ny trano fonenany. Naharaka ny tompon’ny finday taty aoriana fa nohazonin’io ankizivavy io ny findainy. Menatra an’io tompona finday io ity ankizivavy ity. Niampy ny fisarahany tamin’ny olon-tiany ka antony nahatonga azy ho nanaotao foana.

Sajo

Partager sur: