Analakely : mpanendaka voafandriky ny «caméra de surveillance»

Nihevitra ho afa-maina ireo jiolahy roa lahy nanendaka olona teo akaikin’ny banky iray eny Analakely, ny asabo­tsy teo. Lasa nandositra nihazo ny pavillon izy roa lahy rehefa avy nanao ny asa ratsiny. Efa nilamin-tsaina taori­an’izay raha nandalo tamin’iny faritra Ambodifilao iny, kanjo no­sam­borin’ny polisy tampoka. Ireo caméra de surveillance mi­petraka teny amin’iny toerana iny no nahitan’ireo polisy avy ao amin’ny bo­riborintany voalohany (CSP1) azy ireo. Narahana fotsiny izy roa lahy ka izao niafara ta­min’ny fi­sam­borana izao. Marihina fa, tena raitra sy avolenta rahateo ireo caméra de surveillance ampiasain’ny polisy hahafahana misambotra sy ma­nenjika ny olon-dratsy amin’izao fotoana izao. Mi­to­hy ny famotorana azy ireo ao amin’ny kaomisaria CSP1.

Jean Claude

Partager sur: