Ramanoelina Herilaza na i Lesabotsy : Mpilalaon’ny Makis fahiny, efa niaraka nilalao baolina tamin-dry Bolida sy Voavy Paulin tao amin’ny Ajesaia

Maro amin’ireo Mala­gasy mpilalao tao amin’ny ekipam-pirenena fahiny, misehatra amin’ny taranja ara-panatanjahan­tena hafa tany am-piandohana. Anisan’ ireo efa nilalao baolina kitra, tao amin’ny Ajesaia, Ramanoelina Herilaza na i Lesa­botsy, Malagasy mpilalao tao aminn’ny Makis, fahiny.  

Raha mbola lalao Rugby no resahina, tsy mbola lefy laza izany anarana hoe: « Lesabotsy » izany. Araka ny fanadihadiana natao taminy, omaly, tetsy Analakely, dia Ramanoelina Herilaza no tena anarany. Nambarany fa efa nilalao baolina kitra ny tenany tany aloha. Efa nilalao tao amin’ny klioban’ny Ajesaia Antaninkatsaka Itaosy, izy, fony mbola zaza. Niaraka nilalao tamin’ireny mpilalao efa nitondra avo ny Barea nan­dritra ny “Can 2019” ireny, toa an-dry Bolida sy Voavy Paulin izy tamin’izany fotoana izany.
Tsiahivina fa ry Bolida sy Voavy Paulin, mpilalao novolavolain’ny Ajesaia teo aloha.

« Baolina kitra no tena nolalaoviko voalohany, ary niditra sekolin’ny baolina kitra tao amin’ny Ajesaia aho tamin’ izany fotoana izany. Mpilalao iray « promotion » amiko ry Bolida, sy Voavy Paulin », hoy Ramanoelina Herilaza na i Lesabotsy, Malagasy mpilalao Rugby fahiny. Nambaran’ity kalazan’ny Rugby tany aloha ity fa ankoatra ny baolina lavalava, mbola manohy ny filalaovana baolina kitra ihany ny tenany fa tsy amin’ny sehatra matihanina fotsiny.

Taona 1990

Sekoly Rugby iray teo Am­balavao Isotry no nilalaovako Rugby voalohany. « Raha tsiahivina ihany, ny taona 1990, niditra tao amin’io sekoly mpitaiza ankizy amin’ny baolina lavalava io aho. Teo amin’ny
7 na 8 taona teo aho tamin’ izany. Ary tao amin’io klioba 3FAI io aho no nananana kara-pilalaovana voalohany, rehefa feno 18 taona», hoy ny nambaran’i Lesabotsy.
Rehefa nandeha moa ny fotoana, niezaka teny hatrany ity mpilalao ity ka voaantso handrafitra ny ekipam-pire­nena zandriny, Makis Juniors tamin’ ny taona 2000. Dimy taona tao aorian’io, lasa mpilalaon’ny kaominina Antana­narivo Renivohitra izy. « Tany amin’ny taona 2005 aho, niditra tao amin’ny klioban’ny Uscar. Tsara moa ny mampahatsiahy fa ny 2003, nantsoina tao amin’ny ekipam-pirenena Makis Séniors A », hoy ihany ity Malagasy mpilalao Rugby fahiny ity.

Ny nandrombahan’i Mada­gasikara ny Can 2012, fifaninanana Rugby afrikanina, izay natao teto Antananarivo, no fahatsiarovana tsara indrindra teo amin’ny fiainany, araka ny filazany. Ny taona 2013 moa i Lesabotsy no nitsahatra tsy nilalao Rugby tamin’ny sehatra matihanina intsony.

Fantaro fa:

Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa 43 taona izao Ramanoelina Herilaza na i Lesabotsy. Ny volana mey teo izy no voafidy ho filohan’ny klioban’ny Uscar. Noma­rihin’ity lehiben’ny klioban’ny kaominina ity fa tsy nanam-paniriana ny hanao izany izy teo aloha, fa ireo mpilalao sy mpankafy maro nitaraina taminy mahakasika ny zava-misy iainan’ny klioba no nanosika azy hitondra ny klioba CUA.
Nohamafisiny hatrany, fa hametraka fanovana lehibe ny Uscar amin’ity taom-pilalaovana ity. Tanjona lehibe mbola hotratrarin’ny klioba ny hametraka ny Uscar amin’ny lazany teo aloha. Nambaran’ny filohan’ny klioba Uscar, Rama­noe­lina Herilaza, fa anaram-bositra napetak’ireo olona ilay hoe : « Lesabotsy ». «  Tsy misy antony nahatonga io anarana io tamiko moa, fa anaram-bositra nataon’ny olona fiantso ahy fotsiny izany, ary teo amin’ny fiainako aho, tsy tezitra tamin’ izany, tsy ilaina hatezerana ny zavatra toy izany fa hiainana tsara fotsiny », fanazavana nataony ihany.

Nanatontosa : Fitia Randria

Partager sur: