Nivoaka ny trano vao mangiran-dratsy hanondraka voly ny raim-pianakaviana iray. Vatana mangatsiaka hany sisa nalain’ny fianakaviany tao anaty dobo, teny Soavina Atsimondrano, omaly.
Raim-pianakaviana, 54 taona, namoy ny ainy tampoka ka hita faty tao anaty dobo, teny amin’ny fokontany Ambihivy, kaominina ambanivohitra Soavina, distrika Atsimondrano, omaly. “Hanondraka fambolena vao maraina no nialany ny trano”, hoy ny fanazavan’ny zandary eo anivon’ny zana-tobim-paritra Soavina. Nihetsika tampoka ny aretina mitaiza azy ka nitolefika tao anaty dobo izy. “Efa manana aretina mpahazo azy matetika io lehilahy io ka nitranga tampoka tamin’io fotoana io”, hoy ny mpitandro filaminana nanao ny famotorana. Tsy nisy nahatsikaritra ny fotoana nianjerany tao anatin’ny dobo ka vetivety monja dia tsy tana ny ainy. Tsy nanampo io fahavoazan-drainy io ireo zanany.
Nosaritina tao anatin’ny dobo
Niandry io lehilahy io hiverina tany an-trano ny fianakaviany. Naharay fampandrenesana tampoka izy ireo fa hita mihohoka ao anaty dobo ilay raim-pianakaviana. Nikoropaka namonjy ny toerana voalaza nitrangan’ny loza ny havany sy ny tomponandraikitry ny fokontany teny an-toerana. Nanatri-maso koa ny zandary sy ny solontenan’ny mpitsabo nanao ny fizahana. “Efa tsy nisy aina intsony izy rehefa nakarina avy anatin’ny dobo”, araka ny loharanom-baovao. Nitarika ny fahafatesany ny hatsiaka vao maraina niampy ny fananany aretina.
Tsiferana R.




