Raharaha Ambohimalaza : Nalaina am-bavany ny fianakavian’ireo maty

Olona roa, anisan’ny fianakavian’ireo 31 namoy ny ainy, momba ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza, nohainoin’ny fampanoavana, teny amin’ny Lapam-pitsarana Anosy, omaly maraina. Nalaina am-bavany teo anatrehan’ny mpitsara mpanao famotorana ireo olona izay nametraka fitoriana hiampangana an’i Fenohasina tompom-pety sy ny reniny. Ireo fianakavian’ny maty ireo izay mitaky ny hamoahana ny marina momba ny tranga nahafaty ny zanak’izy ireo. Hitohy anio ny fihainoana ny fianakaviana hafa. Manoloana io tranga io, fantatra fa misy mpisolovava vitsivitsy nanolo-tena hanampy ireo solontenan’ny fianakavian’ny maty hitaky ny rariny momba ity raharaha ity. Tsiahivina, niroso tamin’ny fakana am-bavany voalohany an’i Fenohasina ny solontenan’ny mpanao fanadihadiana ka natao teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha izany, ny harivan’ny alatsinainy 21 jolay teo. Nandrasan’ny maro fatratra ny hahatongavan’ity farany sy ny reniny teny anivon’ny fampanovana, omaly, saingy tsy nahazoam-baovao ny momba izany.

Tsiferana R.

Partager sur: