Ravan’ny mpitandro filaminana ny fikambanan-jiolahy nandroba tompona Cash point tao Mananara Avaratra, ny 20 jolay teo. Nitrangana fanafihana niharo fandratrana olona miisa roa tao an-toerana, ny harivan’ny 5 jolay, tamin’ny 7 ora sy sasany. Nodarohan’ ireo tsy valahara izy mivady ary norobainy ny vola mitetina 8 tapitrisa Ar mahery.
Noraofin’ireo olon-dratsy koa ny finday izay mbola nisy vola 30 tapitrisa Ar. « Mpiray tanàna amin’ireo voatafika ihany ireo voasambotra », hoy ny fanazavan’ny zandary lehiben’ny tobim-paritra ao Mananara Avaratra. Naratra mafy, voa teo amin’ny lohany, ilay raim-pianakaviana ary vaky ra koa ny vadiny noho ny daroka nataon’ireo mpandroba. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny tomponandraikitra. « Nandray anjara mivantana tamin’io tranga io ny lehilahy iray izay tokony mbola hamita sazy any am-ponja », hoy ny mpanao famotorana. Namono saingy tsy nahafaty ireo mpivady ireo olon-dratsy. Ankoatra io lehilahy io, vehivavy miisa telo, mpiray tsikombakomba aminy sy lehilahy iray hafa niara-notanana vonjimaika.
Mpikambana anatin’ny tambajotran-jiolahy izy ireo. Mitohy ny fikarohana olona roa hafa izay voatonona anarana. Marihina, manaraka fitsaboana ireo lasibatra nandritra ity fandrobana niampy fandratrana olona tao Mananara Avaratra ity.
Tsiferana R.




