Ankadikely Ilafy : Jiolahy roa lahy maty voatifitra

Lavon’ny tifitra tao anatin’ny haizina ny roa lahy mpikambana anatin’ny tambajotran-jiolahy, teny Ambonisoa, kaominina Ankadikely Ilafy, omaly maraina. Naharay angom-baovao ny zandary fa misy andian-jiolahy mikononkonona hanao fanafihana teny an-toerana. Nanao fisafoana alina ny mpitandro filaminana ka nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy. Nitondra fitaovam-piadiana ireo jiolahy ka nitifitra avy hatrany rehefa nasain’ny zandary nijanona. Nifamaly tifitra ny roa tonta. Vokany, jiolahy roa niara-lavo. Anisan’ izany, i Pakely. Jiolahy efa intelo namita sazy teny am-ponja vokatry ny fanaovany asa ratsy. Nokarohina hatry ny ela izy taorian’ny nanaovany asa ratsy hafa ka izao voatifitra izao. Nahatratra basy iray niampy fitaovana fampiasany amin’ny fandrobana toy ny antsy lava teny amin’ilay iray namany. Mitohy ny fa­mongorana ataon’ny zandary eo anivon’ny tobim-paritra Ankadikely manoloana firongatry ny asan-jiolahy tato ho ato.

Tsiferana R.

Partager sur: