Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena : Manatanteraka ny asa ao anatin’ny ara-dalàna sy mangarahara

Manohy sy miezaka manatanteraka ny asany, araka ny vi­nan’ ny filoham-pirenena, Rajoelina An­dry, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fana­tanjahan­tena amin’izao fotoana izao.

Notanterahina tetsy Am­bohijatovo, omaly, ny fandraisan’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Moustapha Marson Abdulah, an’ireo atleta mal­a­gasy mpilomano. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, izay hotontosaina any Singapour, ny 27 jolay hatramin’ny 3 aogositra ho avy izao, izy ireo.

Natolotra azy ireo tao anatin’ny fomba mangarahara, araka ny fitsipika efa nape­traky ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny taratasy manamarina fa nahazo fankatoavana avy tamin’ny filanke­vitry ny minisitra ny fanoha­nana azy ireo. Fanampiana mitentina 91 839 500 Ariary no homen’ny fanjakana ho an’ireto delegasionina mala­gasy ireto.
Nilaza moa ny atleta rehetra fa vonona izy ireo ny ha­nome ny 200 isan-jato, tsara indrindra avy amin’izy ireo. « Hisaorana ny fanjakana na­nolotra fanampiana tahaka izao, ary manome toky anareo Malagasy izahay fa hiezaka ny hanome ny tsara indrindra avy aminay. Fifaninanana avo ilay hatao any, ary inoana fa tsy hitsanga-menatra ny Mala­gasy, hanome ny 200 isan-jato avy aminay», hoy Rabejaona Holy Antsa, vehivavy mala­gasy mpilomano efa niatrika ny lalao Olympika 2024, tany Paris farany teo.

Araka ny fanazavana voaray, hanainga anio, ho any Singapour, ireo delegasionina miisa enina, ahitana atleta efatra, roa lahy sy roa vavy.

Nohamafisin’ny minisitra Moustapha Marson Abdulah fa raha tsara ny vokatra azon’ izy ireo, hifampiresaka amin’ ny Filoham-pirenena izy mba handray azy ireo mialoha ny 25 desambra ho avy izao.

Nanolotra vatsin-dalana ho an’ny Ankoay

Ankoatra izay, noraisin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), tao amin’ ny biraony ihany koa ny ekipa nasionaly, vehivavy, amin’ny taranja basikety lalaovin’olona telo, Ankoay. Nanolotra vatsin-dalana ho azy ireo ity mpitantana ny fanatanjahantena eo anivon’ny rafi-panjakana ity. Tsiahivina fa hiatrika ny fifa­ninanana “Women’s Series FIBA 3×3, izay hotontosaina any Azerbaidjan, ny 26 hatramin’ny 27 jolay ho avy izao, ny Ankoay.

Raha ny filazan’izy ireo teny an-toerana, hanainga anio ihany koa ny Ankoay vehivavy, ary nampanantena izy ireo fa hiezaka ny hanome izay fara-heriny mba hitondra vokatra tsara mandritra io fifanintsanana io. Tsara ny mampahatsiahy fa ny Ankoay no nandrombaka ny “Fiba 3X3, izay natao teto Madagasikara, ny taona 2024 lasa teo.

Ho avy eto ireo mpilalaon’ny NBA

Nambaran’ny minisitra, omaly, teo imason’ireo vehi­vavy mpilalao ao amin’ny An­koay, fa ho avy eto Madagasi­kara, ny volana aogositra, ireo mpilalaon’ny NBA kalaza teo aloha. Anisan’izany i Anthony Tolliver, lehilahy mpilalao kalazan’ny NBA sy i Sylvia Fowles, vehivavy WNBA. Haharitra herinandro eo izy ireo no hitsidika an’i Madagasikara, raha tsy misy ny fiovana, ny 19 – 25 aogositra. Hisy ny lalao ara-pirahalahiana hiarahana manao amin’ireto kalazan’ny fifaninanana basikety malaza any Etazonia ireto, mandritra io fandalovany eto io.

Nanatontosa : Fitia Randria

Partager sur: