Handray an-tanana ny fiarovana ny mponina any amin’ny kaominina Ankilimalinike, distrika Toliara II ny «Voromahery ». Antony, manoloana ny korontana nataon’ny andian’olona avy any Tsiafanoke sy Benetse any amin’ny fari-pitrandrahan’ny orinasa Base Toliara. Nijoro ny 20 jolay teo ny vondrona Voromahery, iarahan’ny mponina anaty fokontany 13 sy ny mpitandro filaminana, hitandroana ny fandriampahalemana. Nitarika ny fotoana ny prefen’i Toliara sy ny Vondron’ny mpitandro filaminana ahitana ny polisy, ny zandary ary ny miaramila (OMC). Mahatratra 200 ny mpikambana Voromahery any Ankilimalinike miaraka amin’ny mpitandro filaminana 50. Nihetsika avy hatrany izy ireo ny 22 jolay, niainga teo amin’ny toeram-pitrandrahan’ ny Base Toliara. Hita ny toerana fiafenan’ireo olon-dratsy tanaty ala tsilo any Ankilimalinike, ka nitsoaka avy hatrany izy ireo.
Nohitsin’i Tendrisoa, filohan’ny Voromahery Ankilimalinike, fa « vonona tanteraka izahay hiaro ny tetikasam-pampandrosoana sy ny tombontsoan’ny besinimaro. Toherinay tanteraka ny fanakorontanana sy ny asan-jiolahy ». Ho an’ny prefet Ratovelo Thierry, « pejy vaovao ho an’Ankilimalinike ny fijroan’ny Voromahery, mandray an-tanana ny fandriampahalemana ny fokonolona miaraka amin’ny OMC ».
Njaka A.




