Ambohimangakely : Lehilahy nahatrarana cocaïne 1,810 kg

Naiditra eny Tsiafahy, ny alatsinainy 21 jolay teo, ny lehilahy mpivarotra rongony mahery vaika tratra teny Ambohi­mangakely. Naharay loharanom-baovao momba io fisiana mpivarotra zava-mahadomelina mahery vaika io ny sampandraharaha misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-ma­hadomelina eto an-dRenivohitra. Nanao vela-pandrika nahafahana nisambotra io lehilahy voatondro io ny polisy, tamin’ny 19 jolay lasa teo. Nitondra entana milanja 1,810 kg ilay lehilahy. Cocaïne avokoa io vovon-drongony mahery vaika tra-tehaka teny aminy io. Tsy afa-niala intsony ity farany satria polisy no nanoloana azy. Nogiazana ny vovoka cocaïne. Nentina natao famotorana ilay mpivarotra ka notanana vonjimaika any am-ponja. Tsiahivina, roa lahy hafa koa nalefa any am-ponja rehefa nahatrarana cocaïne tao Antsiranana, ny 17 jolay lasa teo.

Tsiferana R.

Partager sur: