Ampitatafika : Lehilahy mpanao hosoka naiditra am-ponja

Mpanao laza adina ho an’ny fanadinana BEPC hosoka sady mandika boky tsy nahazoana alalana iray naiditra am-ponja, omaly. Naharay fitarainana ny polisy misahana ny ady amin’ny fanaovana hosoka (BAP) fa misy olona misandoka sy manao dika mitovy ny boky iray tsy nahazoana alalana. Manamboatra laza adina miampy dika mitovy voarakitra anatin’ilay boky manana ny lazany io lehilahy io. Nitory ny tompon’ny boky nanoloana ny tranga. Voasambotra teny Ampita­tafika ny lehilahy iray nanao ny asa ratsy. Fanaony ny mampiasa ny anaran’ilay marika mipetraka ara-dalàna. Amidiny anaty tambajotran-tserasera ny boky namboariny. Tsy nahazo alalana velively anefa izy nanao io asany io. Hanam­boarany dika mitovy avokoa ny laza adina natokana ho an’ny mpanala fanadinam-panjakana toy ny Bakalorea, BEPC sy ny CEPE. Niakatra fampanoavana ny raharaha omaly ka niafara amin’ny fihazonana am-ponja.

Tsiferana R.

Partager sur: