Ho fampivoarana ny tantsaha …: Fotoana iray ahafahan’ny mpiantsehatra mampiseho ny vokatra ny tsenabe

Ho fampivoarana ny tontolo ambanivohitra sy fampiroboroboana ny famokaran’ireo tantsaha, nisy ny Tsenabe fivoarana izay atao eny Mahi­tsy, nanomboka oma­ly ka haharitra telo andro. Mpiantsehatra marobe no tonga mampiranty ny vokatra eny an-toerana.

Tanterahina eny amin’ny Kianja Mahitsy ny hetsika «Tsenabe fivoarana», izay karakarain’ny solom­ba­vambahoakan’Arivonimamo, Rajerison Antoine. Tonga na­no­katra izany ta­min’ny fomba ofisialy teny an-toerana, ny tenany. Araka ny fanadihadiana natao, haharitra telo andro eo izany, ary tanjona ny hampiroborobo ny fiharian’ny tantsaha sy hampandroso ny tontolo ambanivohitra.
Nilaza ity olom-boafidy eny Arivonimamo ity fa na­hom­­by ny hetsika, raha amanalina no nieritreretina, dia amana hetsiny no tonga namaly ny antso ta­min’izany. Fampandraisana anjara ireo mpamokatra. Fa­na­tsarana ny famokarana ham­pisy vola miditra amin’ny mpamokatra. Betsaka ny olona tonga, mahaliana ny ton­tolo ambanivohitra izany. Mi­sokatra ho an’ny rehetra ny fiaraha-miasa rehefa miresaka fampandrosoana.
«Aorian’izao Tsenabe fi­voa­rana izao, ny hirariana dia mba hisy famoronana orinasa maro ho vitantsika tantsaha, mba hisian’ny olona miasa satria izy ireo no hampiasa izany», hoy Rajerison Antoine, solombavambaho­akan’Arivoni­ma­mo. Tsara ma­rihi­na fa tonga nanokatra ity hetsika ity teny an-toerana ihany koa ny ben’ny Tanànan’i Mahitsy, sy ireo olom-boafidy nasaina.

Fampirantiana vokatra isan-karazany

Taorian’ny fanokafana ta­min’ny fomba ofisialy ny “Tse­nabe fivoarana”, nisy ny fitsidihana ireo tranoheva maro, eny an-toerana. Misy amin’izy ireo, mampiseho vokatra vaovao hialana amin’ny fandaniana be loatra, anisan’izany ny fantana mitsitsy, izay mety handrahoana amin’ny taolan-katsaka, kitay, saribao, … Nambaran’ireo tomponandraikitra tamin’izany fa ny zavatra vokarin’izy ireo dia afaka mitahiry afo sy hafanana eo amin’ ny 1 000 °C eo. Ankoatra izay, misy ihany koa ny fifampizarana traikefa omen’ireo trano­heva amin’ny resaka fiompiana sy ny teknika ahafahana mam­piroborobo ny vokatra avy amin’izany. Ao anatin’izany ny fiompiana trondro, kisoa, akoho amam-borona, ary ny bitro. Nisy ihany koa ireo nandranty ny resaka tantely sy zava-pisotro mahamamo, ny Chips vita avy any Nosy Be Hell Ville.
Tsy izany ihany fa tazana teny ihany koa ireo tanora misehatra amin’ny fivarotana hani-masaka toy ny saosisy sy koba. Tsara marihina fa mety hisy ny fanaovana ny hetsika toy izao eny anivon’ireo distrika maro eto an-tanindrazana. Nilaza ny tomponandraikitra fa misokatra ho an’ny maro izy ireo amin’ity fampandrosoana ny tantsaha ity. Miisa roa izay no efa nanaovana ny hetsika lehibe ho an’ny famokarana izao, anisan’izany ny teny Arivonimamo sy ny teny Ambo­hidratrimo ary samy nahitan’ireo mpiantsehatra vokatra tsara avokoa izany.

Nanatontosa : Fitia Randria

Partager sur: