Alakamisy Anosiala : Trano 11 tafo narodana

An-taonany maro nifandroritana teny anivon’ny fitsarana, noravan’ny vaditany ny trano miisa 11 tafo eny amin’ny kaominina Alakamisy Anosiala, ny marainan’ny alakamisy 24 jolay teo. Nigadona vao maraina ny mpanatanteraka didy ka nitondra mpandrava ny trano tafiditra anatin’ny tany nahazoan’ny voalaza ho tompon-tany rariny. Didim-pitsarana efa nivoaka tamin’ny taona 2006 io nanantanterahana ny fandravana omaly io, araka ny fanazavan’ny tompon’ny trano noravana.
Niezaka niady teny anivon’ny fitsarana ireo fianakaviana miisa 15 monina tamin’ireo trano 11 tafo ireo, teo anelanelan’ny taona 2006 hatramin’ity taona ity saingy niafara amin’ny fandravana ny trano rehetra izany. Tetsy ankilany, efa nisy ny fampilazana mialoha ireo tompon’ny trano fa hisy ny fandravana saingy mbola nijanona teo amin’ny toerana izy ireo. Voatery niroso tamin’ny fampiharan-dalàna ny vaditany. Mitaraina ho very fivelomana tanteraka ireo rava trano.

Tsiferana R.

Partager sur: