Maty tsy tra-drano, voatrongin’ny kamiao ny renim-pianakaviana iray, tamin’ny sabotsy alina. Teo anelanelan’i Tsinjony sy Ambalavao, lalam-pirenena fahafito no nitrangan’izany.
Tra-doza teo amin’ny PK27+700, anatin’ny lalam-pirenena fahafito, ny alin’ny sabotsy teo, tamin’ ny 8 ora sy sasany ny kamiao mpitatitra entana niainga avy eto Antananarivo nikasa hihazo an’Antsirabe. “Nitondra entana ilay fiarabe. Nisy olana teo amin’ny hisatra araka ny fitantaran’ny mpamily ka nifatratra tany amin’ny trano amoron’arabe”, hoy ny fanazavan’ ny kaomandin’ny zandarimaria miasa ao amin’ny tobim-paritra Ambatofotsy. Renim-pianakaviana iray mpivarotra tao anatin’ilay tsena amoron-dalana lasibatra tamin’io loza io. “Efa nihidy ny tsena saingy nijanona tao ambany rihana izy ka voatrongin’ilay kamiao”, hoy ny fanazavana. Nidina ifotony avy hatrany, nijery ny zava-nisy ny ekipan’ny zandarimaria miasa ao an-toerana. Nosokirina tao ambanin’ny kodiarana ilay ramatoa. Nifamonjena nentina teny anivon’ny HJRA Ampefiloha ity farany saingy tsy tanà ny ainy.
Atao andrimaso
Nosintomina tamin’ny mpamily ny taratasy fahazoan-dalana hamily fiara. Notazomina atao andrimaso izy ary atao famotorana eo anivon’ny zandary. Naiditra am-balam-pamonjana koa ny fiara. Tokana hatreto ny antony voalaza fa niteraka ny loza. Olana teo amin’ny hisatra izany. Na izany aza, miroso amin’ny fanadihadiana lalina momba ity raharaha ity ny mpitandro filaminana. Miseholany rahateo tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana nateraky ny tsy fitandreman’ireo mpampiasa lalam-pirenana na eo aza ny fanentanana ataon’ny mpitandro filaminana misehatra amin’ izy ireny.
Tsiferana R.




