“Mosquée” Ambolokandrina : Mpangalatra voasambotra

Voasambotra ny olon-dratsy nangalatra finday sy kapan’ ireo mpivavaka tao amin’ny Mosquée Ambolokandrina, ny 22 jolay tamin’ny 09 ora alina. Nahatsikaritra ny asa ratsy nataon’ io olona io ny polisy nanao ny asa fiambenana tao amin’io fiangonana io ka nisambotra azy. Niezaka handositra niaraka tamin’ireo entana nangalariny io lehilahy io saingy tsy lasa alavitra. Nentina natao famotorana izy. Olon-dratsy iray hafa koa, tratran’ny polisy rehefa saika hamaky tranonon’olona teny Ambohipo, afakomaly. Ren’ny tompon-trano ny fisian’ ireo mpanao ratsy ka nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana izy ireo. Nosamborina sy nentina teny amin’ny biraon’ny polisy avy hatrany io olon-dratsy io. Ankoatra ireo, vehivavy mpivarotra rongony voasambotry ny polisy teny Analamahitsy, ny 25 jolay teo. Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha aorian’ny famotorona.

Mino

Partager sur: